Ny Baiboly Masina

Ny Asa Fanompoana

Maro samy hafa ireo asa fanompoana iantsoan’ny Tompo ny olona tsirairay avy araka ny fanomezam-pahasoavana ananany. Nomena talenta isika, koa aoka samy hampiasa izany ao amin'ny Fiangonana, mba hahafaly ny maro, hampiombona ary hampandroso. Fanompoam-panahy: asa fitoriana ny Filazantsara, asa fanaovan-tsoa, asa fampandrosoana, atao amin'ny fanetretena, amin'ny fitiavana, amin'ny faharetana, amin'ny fiharetana, ka mikendry ny olona manontolo (saina, vatana, fanahy), no asa fanompoan’ny mino! Mamboly no hevitry ny teny hoe “miasa” araka ny Fil 2:12-18. Koa mila mazoto: miava ny ahi-dratsy mpanimba ny voly (fisainana maloto, fanao mahamenatra, fitaka sy lainga, fihatsaram-belatsihy, fizahozahoana, fireharehana, sns …), mamboatra sy manisy zezika ny tany (ny fo, fenoina fitiavana), mikolokolo, manondraka (mitory, mianatra ny Teny). Miantso ny Tompo, mifidy Izy, manendry Izy, maniraka Izy, momba Izy! Koa samia mahereza! “Asa tsara feno tso-dranom-pitahiana sy fahasoavana ary isatroham-boninahitra amin'ny farany” ny asa fanompoana ny Tompo, ka atao amin'ny fitiavana, amin'ny fanetre-tena (Lio 14:11 ; 18:14),! Miditra amin'ny fifalian’ny Tompo ny mpanompo mahasoa, tsara sady mahatoky, ka mamokatra!

Ny Kristiana mahatsapa andraikitra (Fil 2:12-18), resy lahatry ny famonjem-pahasoavana ao amin'i Jesoa, no miasa sy manompo amin'ny tahotra sy ny hovitra (Tanam-bokovokon’ny Fanompoana: mankatoa, tsy mimenona, mahafoy ny saro-bidy sy ny mahafinaritra, manetry tena, tsy mirehareha, tsy mieboebo), ho fanajana Azy Tompo! Mpanompo tsy mahavita ny tokony atao isika fa Izy no tena miasa, isika aza asany! (Fil 2:12b-13). Tafiditra ao amin'ny drafitr’i Jehovah hamonjy ny olona ao amin'ny Jesoa Kristy ny asa fanompoan’ny Kristiana! “Ataovy ny zavatra rehetra amin'ny tsy fimonomononana sy ny tsy fisalasalana! Mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka ianareo, dia zanak’Andriamanitra tsy manana adidy eo amin'ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin'izao tontolo izao, mitana ny teny fiainana, mba hisy ho reharehako amin'ny andron’i Kristy. …Ary aoka izany no hampifaly anareo koa! (Fil 2:14-18). Mahafaly ny mitory an’i Kristy Fahazavana ho an’izao tontolo izao! Olona miova fo, afaka amin'ny geja rehetra (amin'ny saina, vatana, fanahy), ka faly, no vokatry ny asa. Ianao izay mety hampiasain’i Kristy toy izany, ka faly mampandroso ny hafa, no hahita fahagagam-pahasoavana eo amin'ny fiainanao (amazing grace)!

Misy ny mitory an’i Kristy amin'ny fifandirana, misy mitory Azy amin'ny fihatsaram-belatsihy, misy amin'ny fitiavana, misy amin'ny fialonana ! ((Fil 1:15-18)) ! Tsy fanao ny mijery ny kileman’ny mpiara-manompo, ny lafy ratsiny, ny fahalemeny. Izany no fianarana omen’i Paoly eto. Voatory amin'ny endrika mahasadaikatra be ihany ny Filazantsara ; nefa faly izy fa ny asan’ny Tompo tsy voasakan-java-tsarotra fa tanteraka foana n’inon’inona mitranga, miara-miasa hahasoa izay tia Azy ny zavatra rehetra, ka hainy avadika ho tsara na ny sain-dratsy na ny fitsapana mivaivay. Ny fahasarotan’ny asa, vao mainka miafara amin'ny fandresena be voninahitra ka mahafaly ! Voatory i Kristy Mpamonjy, Mpanafaka amin'ny ota , ho an’izao tontolo izao ! Koa faly i Paoly ! Izany koa no tokony hifalian’ny mpanompo rehetra. (Fil 1:18). Voatory ve Kristy amin'ny ataonao izao ? Firy ny olona afaka amin'ny geja noho ny asanao ?

Ny fahasoavana feno, izay raisina amin'ny finoana mba hampahomby ny asa fanompoana, no anararaotana ny andro azo anaovan-tsoa, ka iasàna amin'ny tahotra sy hovitra, ho Azy! « Isika nanao voady manokana rehetra fa hanompo, (Mpitandrina, Loholona, Diakona, Mpandray, Biraon’ny Sampana), tokony hadini-tena lalina, ka hiasa amin'ny tahotra sy hovitra, amin'ny fo feno fanajana, ho voninahitry ny anarany ! » Hira 306 :4 Koa miasà sakaiza, milofosa tsara, dieny misy asa azonao atao. Matahora sao tsy vita ilay anjara izay napetraky ny Tompo taminao ! « Ampy ho anao ny fahasoavako ! » My grace is all you need! (2 Kor 12:9). Tsara ny manompo ny Tompo ! (Qu’il fait bon être à ton service, Seigneur !)

Ny Mpitandrina RAKOTOSON Philippe