1 Petera 3 : 3-5 Ary aoka ny firavahanareo tsy ho zavatra eny ivelany, toy ny firandranam-bolo sy ny firava-bolamena na ny fiakanjoana; fa aoka ho toetra miafina ao am-po, izay tsy mety ho lo, dia ny fanahy malemy sady miadana, izay soa indrindra eo imason’Andriamanitra. Fa tahaka izany no niravahan’ny vehivavy masina fahiny, izay nanantena an’Andriamanitra sady nanaiky ny vadiny.