Ny Baiboly Masina

Ny Herin'ny Tompo

Ampifandray ny zava-misy amin'izao tontolo izao isika mba hitalanjonana ny herin'Andriamanitra. “Asandrato ny masonareo, ka mijere; iza no nahary ireny?”(Isa 40:26). Fantaro ny zavatra rehetra, hazony mafy izay tsara! Manao ahoana ny habetsaky ny hery na angovo vokarin’ny masoandro? Mahavariana: fa ny ampaha- 1 000 tapitrisa monja amin'ny angovo vokarin’izy io no tonga etỳ an-tany, nefa afaka mampihodina ny orinasa rehetra manerantany ao anatin'ny herintaona ny hery vokariny ao anatin'ny ora iray sy sasany fotsiny (90 minitra), ary mbola afaka manome angovo ho an’ny zavatra 36 000 000 tapitrisa mitovy habe amin’ny tany izy, raha ilaina. Milaza anefa ny mpahay zava-boahary fa misy kintana toy ny masoandro an’arivony tapitrisa tapitrisa eto amin’izao tontolo izao. Ahoana no nampisy an’ ireny kintana ireny? Mihevitra ny ankamaroan’ny manam-pahaizana fa nipoitra tampoka izao rehetra izao, tokony ho 14 000 tapitrisa taona lasana izay. Mbola tsy fantatr’izy ireo ny antony nahatonga izany. Tsotra anefa ny fanazavan’ny Baiboly: “Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.” (Gen 1:1) Tena ‘BE HERY’ tokoa ny Tompo, Mpamorona izao rehetra izao!

Fomba ampiasan'Andriamanitra ny heriny

Manatanjaka an’ireo manao ny sitrapony Izy. Anisan’izy ireny izaho sy ianao izay mampiasa ny hery kelintsika amin'ny fanompoana Azy (2 Kor 4:7-9).

Mandringana ny mpanao ratsy Izy (Sodoma sy Gomora, ny Safo-drano sns...Mat 24:3,37-39; Lio 17:26-30).

Mifehy ny zava-boahary rehetra Izy! (baikoiny ny rivotra sy ny ranomasina, novokisany ny olona marobe, nositraniny ny marary, nampahiratiny ny jamba, natsangany ny maty).

Tanjon'ireny fampiasan-kery mahagaga nataon'ny Tompo ireny ny haneho fa Kristy no Hery sy Fahendren'Andriamanitra! .. zary filazantsara ... ho famonjena izay rehetra mino!

Ny vokatr'izany eo amin'ny mino

Mahatonga antsika hidera Azy hoe: “Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ny rantsan-tànanao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao, inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak’olombelona, no amangianao azy?”.... (Sal 8:3,4).

Mahatonga antsika hanetry tena koa ny fahafantarana fa tena bitika isika raha mitaha amin'izao tontolo izao midadasika (sady mbola miitatra tsy misy fetrany hoy ny manam-pahaizana). Miasa sy tanterahin’Andriamanitra ao amin’ny fahalementsika ny Heriny hahatanteraka ny fampielezana ny Filazantsara. Ohatra: Apostoly Paoly, sao hirehareha amin'ny fanambarany izy ka izany indrindra no nanirahan’Andriamanitra an'i satana hamely azy tamin’ny aretina (tsilo). Rehefa nivazina anefa izy, tao amin'ny fahalemena, niseho ny voninahitr'Andriamanitra taminy: «Ampy ho anao ny Fahasoavako, fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena. » 2 Kor 12:9. Toky ho an’ny olona rehetra izay tena miaina ny finoana an’i Kristy izany, fa ao anatin’ny fahalemena sy ny fisedrana mafy sy mahamay no vao maika hiasan’ny Herin’Andriamanitra ao aminy. Ny Fahasoavan’Andriamanitra miasa (fanomezana ho an'ny olona tsy mendrika = famindra-po) no maneho ny Herin'Andriamanitra ! Filazantsaran’i Kristy toriana => miteraka herin’Andriamanitra ao amin'ny fahalementsika. Izany no reharehan’ny mpino mahatoky. « Tsy menatra ny Filazantsara aho ; fa herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany » Rom 1:16. Ataon’ny olona tsy inona tsy inona ny fahaizana amam-pahalalana ara-nofo ananany, rehefa tena mino izy. « Eny tokoa, fa ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny fihoaran’ny hatsaran’ny fahalalana an’i Kristy Jesoa Tompoko....» Fil 3:7-8.

Mahatonga antsika hiankina feno amin'Andriamanitra. Fa manome hery izay mino Azy ny Tompo: “Mampahatanjaka ny reraka [Andriamanitra], ary izay kely hery dia omeny hery be. Na dia ny tanora fanahy aza dia ho reraka sy ho sasatra, ary na dia ny zatovo aza dia mety ho tafintohina mafy; fa izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery kosa; elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; handeha izy, nefa tsy ho reraka.”(Isa 40:29-31). Raha maniry hanao ny sitrapon’Andriamanitra ianao, ka manaiky Azy ho Tompo, noho ny fahasoavany, matokia fa hanome hery sy hampahatanjaka anao Izy. (Lio 11:13) Afaka hiaritra izay fitsapana rehetra mety hitranga ianao, satria hahazo hery hanaovana ny tsara rehetra, (Fil 4:13), noho ny fanampiany anao. Maneho ny heriny Izy ho setrin'ny finoan'ireo izay mino Azy. Mbola mamaly ny vavaka asandratr'ireo olona mino Azy, amin'ny fomba mahagaga Izy, na ao anatin'ny olana tsy ahitam-panafana intsony aza, raha hitany fa ilaina ny hanaovana izany. Tamim-pinoana sy tamim-pitalahoana fatratra no nangatahan'i Paoly tamin'ny Tompo mba hanalana ny aretina nahazo azy. Nanaiky tanteraka ny sitrapon'ny Tompo anefa izy raha nolaviny ka novaliany hoe: «Ampy ho anao ny fahasoavako, fa ny heriko dia tanterahina amin'ny fahalemena!» (2 Kor 12:9) Tena tsy azo atao mihitsy tokoa ny mandidy an'Andriamanitra hanao fahagagana, mba ho fanta-daza ianao, ka hidehaka ho mpitory mahay! Nilaza Jesoa Tompo fa tsy ahazoana antoka ny amin'ny famonjena mihitsy akory ny fihamboana ho manana ny herin'Andriamanitra hahavitana asa mahagaga: «Maro no hanao Amiko amin'izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin'ny Anaranao va izahay? Ary tsy efa namoaka demonia tamin'ny Anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao Asa lehibe maro tamin'ny Anaranao va izahay? Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba Fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay, Mialà amiko hianareo mpanao meloka » .

Mahatonga antsika hiaritra ny mafy. Marobe no maniry hitoetra ao amin’i Kristy, nefa noho ny sedra mahazo, mila hirona sy hitsoaka an-daharana mihitsy. Fahalemena mpahazo antsika koa ireny, kanefa raha tena miorina ao amin’i Kristy isika, tsy noho ny fihetseham-po fa noho ny finoana marina, hiasa ao amintsika tokoa ny Fahasoavana sy ny Herin’Andriamanitra mba hitoriana mahomby ny Filazantsaran’i Kristy, tsy amin'ny mora fa amin'ny sarotra koa. Ahazahoana aina sy hery vaovao ka mampiorina ny fanantenana ny famakiana ny 2 Kor 12 sy 13 ! Fototry ny soa rehetra ny fahendrena avy amin'Andriamanitra (ahazoana lova tsara). Ny Fahatahorana an’i Jehovah no fiandohany. Ny manetry tena manaiky hanao ny Sitrapon’Andriamanitra sy mahajoro tsy mimalo ho vavolombelona (mivazina) no tena fifalian'ny mino, eo anivon'ny zava-tsarotra izay lalovany! Hanafaka izay rehetra mitambesatra (ny manahirana, ny fizahan-toetra mila tsy ho zaka), ny finoana an'i Jesoa Kristy. izay efa nilonjy ny fahoriana rehetra mba hiadanantsika (milonjy = fitondrana enta-mavesatra samy irery; fitondrana ny mafy tsy misy mpanampy). Aharihary fa izay mamantatra ka mandray ny Fahendren’Andriamanitra ao amin'ny Hazo Fijalian’i Jesoa Kristy no voavonjy.

Mitarika antsika mba hibebaka marina! Nieboebo tamin'ny fananany an'ireo fanomezam-pahasoavana mahagaga ny kristiana tao Korinto, ka nampiasainy mba hisehosehoana fotsiny eo imason'ny hafa izany. Tena tsy mety, fa mila mibebaka! Hampiasana ao amin'ny Fiangonana ireny karazana fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ireny, ka hahafaly sy hampiombona ary hampandroso ny maro araka izay sitrak'Andriamanitra! Tsy avy amin'ny fahalalinan-tsainan’ny olombelona no itoriana ny Filazantsara, fa hiteraka ady hevitra tsy misy farany izany. Aorina ao amin'i Jesoa Kristy ny finoana. Izy no Hery sy Fahendren’Andriamanitra miasa eo amin’ny fahalemen’ny olona, Izy no ivon’ny famonjena; ka ny famindra-pon'Andriamanitra no mitaona antsika mba hibebaka! Ny finoana miasa amin'ny fivazinana no mitondra fandresena sy fahombiazana amin'ny fiainana! “...Ary tamin’izany andro izany dia nanomboka nitori-teny Jesoa ka nanao hoe: Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny Lanitra.” Mat 4:16,17 Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra! Fibebahana hoe? "Fanenenana latsa-paka ao anatin’ny olona noho ny nanaovany zavatra nahatezitra an’Andriamanitra, ka tapa-kevitra fa hiala amin’izany, manonitra ary mifona!" Mila maharitra amin’izany fiainam-pibebahana izany isika. Manome Hery ny Tenin’Andriamanitra, ka mitondra fanjakan’i Kristy, ao anatin’ny olona mibebaka.

Mahatonga antsika hanana toetra ara-panahy ho malemy eo amin'ny olona fa mahery ao amin'i Kristy. Ny Fahendren’Andriamanitra, toa miafina sy toa fahadalàna ho an’izay ho very izany, fa herin’Andriamanitra miasa ho famonjena izay rehetra mino. Ny mpino mahatoky, raha miaina amin'ny fandeferana sy ny fahatsorana, no maneho ny Herin’Andriamanitra ka afaka mizara izany! Fa ny Herin’ny Fanahy Masina no tena manatanjaka ny mino. Io fahendren’Andriamanitra io, no mahatonga fahasahiana eo amin’ny mino mijoro ho vavolombelona mivazina, hany ka heverin’ny hafa ho faharesena sy fahalemena izany. Manompo an'Andriamanitra isika noho ny fahatsapana: “ny fahasoavana omeny, ny fiadanana sy fifaliana atolony, ny hery atobany handresena ireo fakam-panahy, ary ny fiainam-baovao velominy ao anatintsika!” Ny fanompoana ao amin'ny Fiangonana no zavatra iainana tena mahery vaika ho an’ny olona mpino amin'ny sokajin-taona rehetra. Anovozana hery mahagaga ny fanompoam-pivavahana ao ka ahafahana mandresy ny sarotra. Tsapa ny fahamarinan’ny tenin’ i Kristy. Mitsangàna ary ampiasao ny herin’Andriamanitra amin'ny fahalemem-panahy rehetra, mba hanampiana ny hafa. Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahasoa, nahatoky tamin'ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be, midira amin'ny fifalian'ny Tomponao!

Famaranana sy fehiny

«Ampy ho anao ny Fahasoavako, fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena. » Tena zava-miafina saro-pantarina tsy takatry ny saina ny "Herin'ny Tompo" izay tanterahina amin'ny fahalemena! Raha miseho ho mafy be isika, mipetraka fotsiny ny herin'Andriamanitra; fa rehefa miaiky fa malemy isika vao miasa ny heriny! Ao amin'ny Soratra Masina no isehoan'ny herin'Andriamanitra manazava ny fiainantsika. Kristy mantsy no Hery sy Fahendren'Andriamanitra. Hery mandresy hatramin'ny fahafatesana! Toa nofinofy nefa marina!...Mino izany va ianao?

Miaro ny mino amin'ny loza, amin'ny fahavalo, amin'ny zavatra rehetra ny Herin'ny Tompo, ka tokony hatoky Azy isika! Aza manahy!

Manasitrana amin'ny aretina rehetra ny Herin'ny Tompo, na aretina ara-nofo io, na ara-tsaina, na ara-panahy io, na ara-toe-karena aza, na ara-pitiavana koa! Matokia Azy! Minoa Azy!

Mampanetry tena ny Herin'ny Tompo ka mandresy ny avonavona. Tsy miasa ao amin'ny toe-po sy toe-tsaina miavona ny Herin'ny Tompo, fa tanterahina ao amin'ny fahalemena kosa! Tadidio fa hoy ny Soratra Masina hoe: "Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana, fa aoka mba ho zatra amin’ny fietrena hianareo. Aza manao ny tenanareo ho hendry".(Rom 12:16) "Manetre tena eo anatrehan’ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy." (Jak 4:10) "Farany, miraisa saina hianareo rehetra, ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena, tsy mamaly ratsy ny ratsy, na fanaratsiana ny fanaratsiana; fa aoka hisaotra kosa, satria ho amin’izany no niantsoana anareo mba handova fitahiana." (1 Pet 3:8,9;5:6) Koa amin’izany manetre tena ambanin’ny tàna-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoan’andro; ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo! (Sal 55:22).

Ho aminao anie ny fiadanan'ny Tompo! Amena!

Ny Mpitandrina RAKOTOSON Philippe