Ny fiainana araka ny Fanahy
Galatiana 5:13 “Fa efa nantsoina ho amin’ny fahafahana hianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifampanompoa amin’ny fitiavana.”
Noharian’Andriamanitra ny olona mba ho afaka. Tsy natao ho andevozina ny olona fa natao ho olona afaka (Jaona 8:32, 36; Romana 8:2; Galatiana 5:1). Paoly anefa nilaza hoe : “aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany”.
Amin’ny maha kristiana antsika dia tena afaka tokoa isika. Tsy nafahana mba hanota anefa isika (Romana 6:1-2, 12-14). Afaka amin’ny fatoran’ny lalàna isika fa tsy afaka amin’ny fandikana ny lalàna. Na dia afaka aza isika dia tokony hiaina amin’ny fahamasinana sy ny fahatanterahana hatrany (Matio 5:48; I Petera 1: 15-16).
Ireo mpanaraka fivavahana hafa matetika dia milaza fa baranahiny loatra ny fiainan’ny kristiana, fa tsy misy lalàna. Ampangain’izy ireo ho ratsy fitondrantena ny kristiana fa hoe manao izay rehetra tiany atao ka tsy mihevitra ny hafa akory. Ary azo lazaina mihitsy fa mitombina izany voalaza izany! Eny fa na tsy tokony ho izany aza.
Olona afaka isika kristiana, kanefa tsy maintsy miaina araka ny lalàna, dia ny lalàm-pitiavana (Marka 12: 29-31; Jaona 13: 34-35). Olona afaka isika ka afaka mifanompo amin’ny fitiavana. Ny andevo tsy manompo ny tompony amin’ny fitiavana, fa an-tery sy amin-tahotra. Isika kosa, izay efa nafahana, dia mifanompo amin’ny fitiavana. Ny olona afaka ihany mantsy no afaka mitia tsy an-tery.
Efa natao afaka tamin’ny ota isika kristiana, kanefa miaraka amin’izany koa dia natao ho mpanompon’Andriamanitra isika (Romana 6:22). Efa nafahana tamin’ny tompontsika taloha isika, dia ny lalàna izany, izay mitondra antsika ho amin’ny fahafatesana; kanefa efa tonga mpanompon’ny Tompo vaovao koa isika, dia I Kristy izany, izay mitondra antsika ho amin’ny fiainana. Mpankato ny lalàna isika taloha noho ny tahotra, fa mpankato an’i Kristy kosa isika ankehitriny, tsy noho ny tahotra intsony fa noho ny fitiavantsika Azy (Jaona 14: 15, 21; I Jaona 4:18).
Galatiana 5:14 “Fa tanteraka amin’ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: ,,Tiava ny namanao tahaka ny tenanao’’ (Lev. 19.18).”
Tokony ho efa nahalala ny amin’izay rehetra momba ny fitiavana ireo mpampianatra Jiosy tao Galatia. Fa ny lalàna Jiosy teo amin’izy ireo dia tanteraka amin’ny teny iray ihany … dia izao : “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao” (Levitikosy 19:18; Matio 22: 35-40; Marka 12:31; Romana 13: 8-9; Galatiana 6:2).
Velona ny fanontaniana eto: moa ve I Paoly eto manome antsika lalàna vaovao tsy maintsy harahina tahaka ny lalàna Jiosy? Raha lalàna hafa indray no omeny antsika, dia tsy hisy maha samy hafa antsika kristiana amin’ny Jiosy.
Ity lalàm-pitiavana vaovao ity anefa tsy mba tahaka ny lalàna Jiosy fahiny, na tahaka ireo lalàna sy fombafomba amin’ireo fivavahana hafa. Ny fahasamihafany voalohany dia izao : ny Jiosy sy ireo mpanaraka fivavahana hafa dia manaraka ny lalàny sy ny fomban-drazany mba hahazoany famonjena. Tsy ny mba hahazoantsika famonjena kosa no hanarahantsika kristiana ny lalàm-pitiavana, fa noho isika efa voavonjy. Ny finoantsika an’i Kristy no namonjena antsika fa tsy ny fanarahana lalàna. Tsy noho ny fanarahantsika ny fitsipika na ny fombafomba amin’ny fivavahana kristiana no hamonjena antsika, fa noho ny fanarahantsika an’i Kristy Ilay Mpamonjy. Tsy avy amin’ny antokom-pivavahana ny famonjena antsika fa avy amin’olona iray, dia I Jesosy Kristy.
Ny fahasamihafany faharoa dia izao : samy miezaka amin’ny herin’ny tenany ny Jiosy sy ireo mpanaraka fivavahana hafa amin’ny fanarahana ny lalàn’izy ireo sy ny fomban-drazany. Isika kristiana kosa anefa tsy mba manaraka ny lalàm-pitiavana amin’ny herin’ny tenantsika. Efa nandray ny Fanahy Masin’i Kristy isika; ary amin’ny herin’ny Fanahy irery ihany no hanarahantsika ny lalàm-pitiavana. Tsy toetra raiki-tapisaka tao amintsika ny fitiavana fa avy amin’ny Fanahy Masina izay mitoetra ao anatintsika. Tia ny hafa isika noho ny fitiavana izay nampidinin’ny Fanahy Masina ho ao am-pontsika (Romana 5:5).
Eny, tokony hankato ny lalàm-pitiavana tokoa ny kristiana; kanefa Andriamanitra no manome antsika hery amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mba hanatanterahantsika izany. Fa ny fahasovan’Andriamanitra sy ny heriny no hahavitantsika ny zavatra rehetra.
Velona indray ny fanontaniana eto. Hoy ny lalàna : “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao”. Inona moa ny hevitry ny hoe tahaka ny tenanao? Moa midika izany fa hatao mitovy ny fitiavantsika ny tenantsika sy ny namantsika?
Tsia, tsy izany no heviny. Fa tokony ho tiantsika mihoatra noho ny tenantsika ny namantsika. Hoy indrindra I Kristy : Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy” (Marka 8:34). Noho ny fanarahantsika ny oha-piainan’i Jesosy dia tokony hahafoy, eny fa na dia ny aintsika aza isika mba hamonjena ny hafa (Jaona 15:13).
Noho izany, ny hevitry ny hoe tahaka ny tenanao dia izao : tokony ho tahaka ny fitiavan’ny olona araka ny nofo ny tenany no ho fitiavantsika izay araka ny Fanahy ny hafa. Ny tenany aloha no tian’ny olona araka ny nofo, mihoatra noho ny hafa rehetra. Noho izany, ny hafa aloha no tokony ho tiantsika izay araka ny Fanahy, mialoha ny tenantsika.
Tsy miresaka ny amin’ny didy voalohany I Paoly eto, izay manao hoe : “Koa tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra” (Marka 12:30). Mahafantatra avokoa ny Jiosy rehetra fa izany no didy voalohany sady lehibe indrindra. Koa tsy ilain’i Paoly akory ny filazana izany. Na izany aza anefa dia tsy tokony hohadinoina fa raha tsy tia an’Andriamanitra isika dia tsy afaka ny ho tia ny namantsika. Ny fitiavana Azy hatrany mantsy no mandeha voalohany.
Etsy an-kilan’izany anefa dia tsy afakya milaza isika fa tia an’Andriamanitra raha toa ka tsy tia ny namantsika. Ny tena fitiavana an’Andriamanitra mandrakariva dia arahin’ny fitiavana ny namana (I Jaona 4:20-21). Fa iza moa ny namantsika? Ny namantsika dia izay rehetra mila vonjy na sahirana (Lioka 10:25-37), izany hoe ny olona rehetra.
Galatiana 5:15 “Fa raha mifandramatra sy mifampihinana hianareo, tandremo fandrao mifandringana.”
Rehefa tsy ao ny Fanahy Masina dia tsy ao koa ny fitiavana. Rehefa tsy ao ny fitiavana dia mifandramatra sy mifampihinana ny olona, izany hoe mifanohitra sy mifampiampanga ary mifanaratsy.
Raha mifampiampanga sy mifanaratsy isika dia ho ringana ny Fiangonantsika. Fa hoy Jesosy : “Ary raha misy mpiray trano miady an-trano dia tsy haharitra izany mpiray trano izany” (Marka 3:25). Eny fa na dia marina aza ny zavatra miiba (négatifs) resahintsika mikasika ny olona iray, dia mbola mandrava ny Fiangonana ihany izany. Ary mbola fanaratsiana ihany. Ny fanaratsiana dia izay teny rehetra lazaintsika ka enti-manaratsy na manohitra ny rahalahintsika, na marina izany na diso. Raha toa ny rahalahintsika ka lavo tamin’ny fahadisoana na tamin’ny ota, ka voatery hiteny azy isika, dia tsy maintsy manao izany aminy manokana imaso imaso aloha. Tsy maintsy avelantsika aloha izy hiteny mikasika ny tenany (Matio 18:15). Aorian’izany isika vao tokony ho any amin’izay mpitondra ao amin’ny Fiangonana hitondra ny tarainantsika (Matio 18:16). Fa isika samy isika kosa dia tsy mahazo manao resaka fanaratsiana na fanoherana ny rahalahy na anabavy hafa tsy eo imasony.
Galatiana 5:16 “Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo hianareo.”
Tsy maintsy mandeha araka ny Fanahy isika izay efa nandray ny Fanahy Masina, ary tsy maintsy tarihin’ny Fanahy. Tsy maintsy hampanekentsika eo ambany fifehezan’ny Fanahy ny filàn’ny nofontsika (na ny toetsika mpanota). Raha manao izany isika dia hihazona antsika tsy hanatanteraka ny filàn’ny nofo ny Fanahy. Izany hoe ny Fanahy no hihazona antsika tsy ho lavo amin’ny fahotana. Kanefa mba tsy hahalavo antsika amin’ny ota dia tsy maintsy manaiky ny Fanahy hatrany isika. Ary amin’ny fotoana rehetra dia tsy maintsy miankina amin’ny Fanahy hatrany ny fiainantsika.
Ary farany, raha tsy mandeha araka ny Fanahy isika sady tsy tarihin’ny Fanahy dia tsy afaka hiantso tena hoe zanak’Andriamanitra (Romana 8:14).
Galatiana 5:17 “Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo.”
Na dia efa nametraka ny finoantsika tamin’i Kristy aza isika, ary efa nandray ny Fanahy Masina dia tsy mbola maty tanteraka ilay filàn’ny nofo na toetsika mpanota taloha. Na dia efa eo ambany fifehezan’ny Fanahy aza izany dia mbola miaraka amintsika eny foana, ka manohitra ny Fanahy hatrany, manohitra ny toetrantsika vaovao, dia ilay fiainam-baovao ara-panahy noraisintsika tamin’ny fotoana niovana fo ka ninoantsika.
Arak’izany, misy ady ara-panahy mitohy tsy tapaka ao anatintsika ao, ka tsy tapitra izany raha tsy efa maty isika. Ilay tena vaovao ara-panahy dia mikatsaka ny hanao ny tsara, fa ilay toetsika mpanota taloha kosa manakana azy tsy hanao izany (Romana 7:18-19).
Rehefa mandeha araka ny Fanahy isika dia ho voafehy hatrany ny nofo (ny nofontsika). Rehefa mandeha araka ny Fanahy mantsy isika dia voahombo ny nofontsika, izany hoe natao ho tsy manan-kery intsony (Romana 6:6-7, 12-14; Galatiana 2:20 ; 5:24). Rehefa mandeha araka ny Fanahy koa isika dia tsy manao izay hahatanteraka ny filan’ny nofo amin’ny fahotana intsony, satria tsy manan-kery amintsika ny toetra mpanota. Efa afaka amin’ny herin’ny ota isika. Izany no hevitra lalina fonosin’ny fahafahana ananantsika ao amin’i Kristy.
Fa rehefa tsy mandeha araka ny Fanahy intsony isika, ary tsy miankina amin’ny Fanahy intsony, dia ho velona avy hatrany indray ilay toetsika mpanota taloha, ka hidina avy eo ambony hazofijaliana izay toerana efa nametrahantsika azy. Amin’izay fotoana izay dia ho eo ambany fifehezany indray isika. Raha izany no mitranga dia ho very ilay fahafahana nomena antsika, ka ho lasa andevon’ny ota indray isika.
Galatiana 5:18 “Fa raha tarihin’ny Fanahy hianareo, dia tsy mba ambanin’ny lalàna.”
Ny lalàna ambara eto dia ny lalàna Jiosy, izay antsoin’i Paoly any amin’ny andininy sasany hoe lalàn’ny fahotana sy ny fahafatesana (Romana 8:2). Eo ambany ozona izay eo ambanin’izany lalàna izany (Galatiana 3:13); izany hoe eo ambany fanamelohan’ny fahafatesana na eo ambanin’ny herin’ny ota. Ambaran’i Paoly fa raha tarihin’ny Fanahy isika dia tsy mila mitoetra eo ambanin’izany lalàna izany intsony. Eny, ao anatintsika dia misy ady ara-panahy eo amin’ny nofo sy ny Fanahy; kanefa afaka mandresy amin’izany ady izany isan’andro isika, fa tsy tokony ho resin’ny ota.
Ahoana ary no hahafahantsika mandresy ny ota? Rehefa avelantsika mitarika hatrany ny Fanahy dia mandresy ny ota isika. Tsy tokony hiady irery isika, fa tsy maintsy mankeo ambany fifehezan’ny Fanahy (Romana 8:9). Fa ny herin’ny Fanahy no mahatonga antsika ho mpandresy hatrany.
Mihevitra ny Jiosy sy ireo mpanaraka fivavahana hafa fa ny fankatoavan’izy ireo ny lalàna sy ny fomban-drazana no hiaro azy ireo tsy ho lavo amin’ny ota. Tsy marina anefa izany, satria tsy manana hery hiarovana ny olona amin’ny ota ny lalàna. Eny, mety hahasakana ny olona tsy hanatanteraka ota ety ivelany ny lalàna, fa tsy mahasakana ny olona hanao ota anaty kosa. Tsy afaka manadio ny fon’ny olona amin’ny fanirian-dratsy ny lalàna, fa ny herin’ny Fanahy Masina izay mitoetra ao anatintsika ihany no manampy antsika handresy ny ota ao anatin’ny fontsika. Ary tsarovy izao : ny fontsika aloha no jeren’Andriamanitra fa tsy ny zavatra ataontsika ety ivelany (I Tantara 28:9; Jeremia 17:10; Marka 7:6).
Tsy maintsy hanontany isika eto manao hoe : nahoana moa ny kristiana no manota foana ? Manota ny kristiana satria te hanota. Manota izy satria manapa-kevitra ny hanota. Rehefa tonga mantsy ny fakam-panahy dia hoy ny Fanahy amintsika hoe : « manatona Ahy ». Isika anefa no mandà, ka avy hatrany dia lavo amin’ny ota. Ary tsy lavo amin’ny ota ihany isika fa misy zavatra hafa mitranga koa : mihataka amintsika ny Fanahy. Tsy te hitoetra ao anatin’ny tena tsy masina Izy ary malahelo. Izany n o antony nanoratan’i Paoly ho an’ny Efesiana hoe : « ...aza mampalahelo ny Fanahy Masin’Andriamanitra (Efesiana 4:30). Rehefa avy miaiky amin’ny fahotantsika isika ary mibebaka amin’izany vao maka ny toerany indray ny Fanahy.
Misy amintsika ve mahatsiaro ho maina na mangatsiaka ara-panahy, ka tsy manana hery intsony ? Raha misy, dia aoka izy handinika ny fony ka hitady izay mety ho ota miafina mahatonga ny Fanahy hanalavitra azy. Ary aoka izany fahotana izany ho entiny eo amin’ny mazava, ka hialany. Rehefa manalavitra an’Andriamanitra mantsy isika dia tsy sarotra ny mamantatra ny antony : mandrakariva dia noho ny ota miafina (na tsy dia miafina loatra) ao am-pontsika.
Galatiana 5:19-21 “Fa miharihary ny asan’ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra.”
Izao I Paoly dia mitanisa ireo ota sasany izay mampisaraka antsika amin’Andriamanitra. Koa aoka isika handinika tsara izany asan’ny nofo izany. Moa ve misy amin’izy ireo hitantsika eo amin’ny fiainantsika? (Romana 1:29-31).
Mailaka ery isika mahita ny ota eny amin’ny olon-kafa, ary mora ny mahita izany. Tsy kinga toa izany anefa isika amin’ny fijerentsika ny ota mitovy amin’izany eo amin’ny tenantsika. Fa marina hatrany ny fijerintsika ny tenantsika.
Tsy tokony hijery ny fahotan’ny hafa anefa isika, fa ny antsika ihany no tokony ho jerentsika. Ary aoka isika hivavaka mba hasehon’ny Fanahy Masina amintsika ireo ota miafina rehetra eo amin’ny fiainantsika (Salamo 139:23-24).
Amin'ireo ota dimy ambin'ny folo voalaza eto, dia ny fisaratsarahana sy ny ady misy eo amin'ny samy kristiana ny valo amin'izy ireo; izany hoe mifandray amin'izay ambaran'i Paoly hoe : mifandramatra sy mifampihinana.
Eo amin'ny Fiangonana dia antony roa ara-dalàna ihany no azo hanoherana ny rahalahy sy hanalavirana azy. Voalohany, rehefa mitoetra ao anatin'ny ota miharihary hitam-bahoaka hatrany ilay rahalahy kanefa tsy mety mibebaka (I Korintiana 5:11). Faharoa, rehefa tsy manaiky an'i Jesosy ho Andriamanitra tonga nofo ilay rahalahy, izany hoe rehefa tsy mampianatra ny marina momba an'i Jesosy Kristy (I Jaona 4:2). Raha misy rahalahy toherintsika noho ny antony hafa ankoatra ireo dia ho meloky ny fanatanterahana ny iray na ny mihoatra amin'ireo ota izay notanisain'i Paoly eto isika.
...Izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra. Izany hoe izay mivelona anatin'ireo ota ireo hatrany kanefa tsy mibebaka dia tsy hiditra ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra. Samy latsaka ao anatin'ny ota sasany amin'ireo ihany isika rehetra indraindray, ka rehefa manao izany isika dia afaka mibebaka haingana ary mangataka famelan-keloka, dia hanadio antsika Andriamanitra (I Jaona 1:9). Fa izay minia manota kanefa tsy mibebaka dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra, izany hoe tsy ho voavonjy.
Galatiana 5:22-23 “Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany.”
Izay mandeha araka ny Fanahy dia mampiseho ny vokatry ny Fanahy eo amin’ny fiainany. Hita eo amin’ny fiainan’ny olona mitoetra ao amin’i Kristy izany vokatra izany (Jaona 15:4-5). Tanisain’i Paoly amin’ireto andininy manan-danja ireto izany vokatra izany.
Tsara aloha ny mahatsiaro fa samy hafa ny vokatry ny Fanahy sy ny fanomezam-pahasoavana avy amin’ny Fanahy. Ny fanomezam-pahasoavana dia homena ny kristiana samihafa, amin’ny fotoana samy hafa, ary araka ny sitrapon’ny Fanahy Masina (I Korintiana 12:7-11). Ny vokatry ny Fanahy kosa dia tokony ho hita eo amin’ny kristiana rehetra amin’ny fotoana rehetra. Na any am-piangonana na eo amin’ny fiainantsika manokana, ny vokatry ny Fanahy dia manan-danja kokoa ary zava-dehibe kokoa noho ny fanomezam-pahasoavana.
Fitiavana no vokatra tanisain’i Paoly voalohany; fitiavana an’Andriamanitra sy fitiavana ny namana.
Fifaliana kosa ny vokatra faharoa; izany hoe fifaliana ara-panahy. Misy hatrany izany fifaliana izany na dia ao anatin’ny fitsapana sy ny fahoriana aza. Io ilay fifaliana avy amin’ny fahasoavan’Andriamanitra izay tonga amintsika, fifaliana noho ny famonjena antsika (Jaona 15:11; Filipiana 4:4).
Fiadanana no vokatra fahatelo. Voalohany indrindra dia fiadanana miaraka amin’Andriamanitra. Amin’ny finoana an’i Kristy no ananantsika izany fiadanana izany (Romana 5:1; Filipiana 4:7). Rehefa nahazo fiadanana (na fihavanana) tamin’Andriamanitra isika dia tokony hiezaka hampandroso ny fihavanantsika amin’ny rahalahintsika sy ny anabavintsika ao am-piangonana (Romana 14:19; Efesiana 4:3).
Fahari-po no vokatra fahaefatra. Tsy inona izany fa fiharetana rehefa mandalo fahoriana sy fitsapana. Ny heviny koa dia fihombonam-pihetseham-po sy fahazoana izay mahazo ny rahalahintsika. Tsy maintsy manam-paharetana amin’ny fahalemena sy ny fahotan’ny rahalahintsika isika (Efesiana 4:2). Tahaka ny faharetana nananan’i Jesosy tamintsika no aoka mba hasehontsika amin’ny tsirairay koa (I Timoty 1:16).
Nambaran’i Paoly manaraka ny fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa sy fahamarinana. Ny hevitry ny hoe fahamoram-panahy dia famindram-po sy famelan-keloka (Matio 18:21-22). Fikatsahana ny hanao ny tsara amin’ny olona rehetra kosa ny hevitry ny hoe fanaovan-tsoa. Ary ny hevitry ny hoe fahamarinana dia azo hitokisana sy hiankinana.
Ary ao amin’ny andininy faha-23 no misy ny vokatra fahavalo, dia ny fahalemem-panahy. Tsy eo amin’ny fitondrantenantsika ivelany ihany ny fahalemem-panahy fa ao anatin’ny fanahintsika koa. Mitovy amin’ny fanetren-tena ny fahalemem-panahy anaty. Izy no vokatry ny Fanahy mila fitandremana be indrindra, satria mora simba tokoa. Ny ota tena sarotra resena indrindra amin’ny olombelona dia ny avonavona, izay fahavalon’ny fahalemem-panahy sy ny fanetren-tena voalohany indrindra. Tsy tsapantsika akory mandrakariva ny avonavona ao anatintsika, kanefa dia ao ihany. Ary ny fiheverantsika ho naharesy izany dia manaporofo tsotra izao ny tsy fandresentsika azy! Angamba mety hihevitra isika fa manetry tena, kanefa misy olona tonga tampoka miteny ratsy antsika ka avy hatrany dia voadona ny fontsika ary mamaly. Inona no antony? Noho ny avonavona! Raha tsy nisy avonavona taty anatintsika dia tsy ho namaly akory isika. Raha vao mitady hiaro ny voninahitsika isika dia noho ny avonavona izay. Ny olona manetry tena na manana fahelemem-panahy dia tsy mihevitra akory izay voninahitra ho an’ny tenany, fa ny voninahitr’i Kristy irery ihany no heveriny. Na izany aza dia marina fa rehefa afa-boninahitra isika dia afa-boninahitra koa I Kristy. Ka noho ny amin’i Kristy (fa tsy noho ny amintsika) dia tokony hatao izay tsy hahafa-boninahitra antsika.
Tsy voaraokantsika ny avonavona ao anatintsika, fa ny Fanahy Masina ihany no mahavita izany. Ny Fanahy Masina ihany no afaka manamboatra ny ao anatintsika ho malemy fanahy sy manetry tena. Ny asan’ny Fanahy dia ny manampy antsika hanetry tena. Ary ny anjarantsika dia ny manetry ny tenantsika (I Petera 5:5-6). Mila mivavaka tsy mitsahatra isika mba hanana fanetren-tena. Tsarovy koa anefa fa tsy maintsy mampanaintaina ny avonavona ao anatintsika ny Fanahy Masina matetika vao afaka hanetry tena isika. Koa vonona ve isika hiaritra ny asa mampanetry tena ataon’ny Fanahy?
Ny fahononam-po no vokatry ny Fanahy farany. Ny heviny dia ny fametrahana ny toetsika mpanota taloha ho eo ambany fitarihan’ny Fanahy. Ny heviny iray koa dia ny fandavantsika tsy hanatanteraka ny filàn’ny nofo.
Ahoana no hamantarana fa tena “masaka” ny vokatry ny Fanahy eo amin’ny fiainantsika? Mora ny fiainana kristiana rehefa mahafaly ny zava-mitranga eo amin’ny fiainana. Ka mety ho hita fa masaka tokoa ny vokatry ny Fanahy eo amin’ny fiainantsika. Fa rehefa tonga ny fahoriana ka “voapotsitra” isika vao azo fantarina na masaka na tsia ny vokatry ny Fanahy ao anatintsika. Rehefa mandalo fijaliana, fanaratsiana, fanenjehana, ary fisedrana maro hafa koa isika dia inona ny hasetrintsika izany? Rehefa potserina ny voankazo ao anatintsika, dia inona no ranom-boankazo mivoaka avy ao? Ranom-boankazo mangidin’ny ratra sy ny avonavona ve? Sa ranom-boankazo mamin’ny fitiavana, ny fifaliana, ny faharetana, ary ny fanetren-tena? Rehefa voapotsitra ihany isika vao voasedra ny fiainantsika.
Aza hadinoina fa ireo vokatry ny Fanahy miisa sivy ireo dia tsy avy amin’ny asa na ny fiezahana nataontsika, fa avy amin’ny Fanahy Masina izay mitoetra ao anatintsika. Raha hita miharihary eo amin’ny fiainantsika ireo vokatry ny Fanahy ireo dia tanteratsika eo amin’ny fiainantsika ny lalàn’Andriamanitra. Raha hita eo amin’ny fiainantsika ireo vokatra ireo, dia ho masina sy ho marina isika, ka tsy hisy lalàna afaka hanameloka antsika. Fa tsy misy lalàna milaza fa ratsy ireo vokatry ny Fanahy ireo. Tsy misy lalàna manohitra izany (manohitra ireo vokatry ny Fanahy sivy ireo).
Galatiana 5:24 “Fa izay an’i Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin’ny faniriany sy ny filàny tamin’ny hazofijaliana.”
Mba hahatonga ny Fanahy Masina hanjaka tanteraka eo amin’ny fiainantsika dia tsy maintsy homboana eo amin’ny hazo fijaliana ny nofontsika. Araka ny fampianaran’i Paoly ao amin’ny Romana dia ilay toetsika taloha (izay eo ambany fifehezan’ny nofo mpanota) no homboana eo amin’ny hazo fijaliana (Romana 6:6). Eto I Paoly dia milaza fa ny nofontsika mihitsy no tsy maintsy homboana amin’ny hazo fijaliana. Amin’ny lafiny iray dia hoe tsy maintsy vonoina ilay toetsika taloha. Amin’ny lafiny iray hafa koa anefa dia tsy ho faty tanteraka ny nofontsika, fa tsy maintsy “homboana” tsy tapaka hatrany izany nofo izany. Tsy maintsy ahantontsika eo ambony hazo fijaliana isan’andro ny toetsika taloha (Lioka 9:23), ary tsy maintsy avelantsika eo. Karazana fanomboana amin’ny hazo fijaliana anankiroa no resahin’ny Testamenta Vaovao ho an’ny mpino, dia ny atao sy ny iharana. Ao amin’ny Romana 6:6 sy Galatiana 2:20, dia homboana amin’ny hazo fijaliana amin’ny finoana an’i Kristy ny toetsika taloha ; ka izany no “fanomboana iharana”. Fa ankoatra izany, araka ny Marka 8:34, ny Romana 8:13, sy eto amin’ny Galatiana 5:24, dia misy koa ny “fanomboana atao” amin’ny toetsika mpanota, izay isika mihitsy no tsy maintsy manao azy isan’andro.
Moa ho tian’ny toetsika taloha ny homboana eo amin’ny hazo fijaliana? Mazava ho azy fa tsy ho tiany! Tsy zavatra mahafinaritra ny hahantona eo amin’ny hazo fijaliana, ary tsy mora ny miaritra azy. Noho izany, tsy mora ny fiainana kristiana, na sarotra toavina mihitsy aza!
Ny takian’Andriamanitra amintsika anefa dia tsy ny hiainantsika ny “fiainana kristiana” fa nambarany fotsiny ihany fa tokony handeha araka ny Fanahy isika isan’andro isan’andro. Tsy maintsy ny Fanahy no hiankinantsika eo amin’ny antsipirian’ny fiainantsika. Fa araka ny Fanahy ihany no hananantsika fiainana ankasitrahan’Andriamanitra.
Galatiana 5:25 “Raha velon’ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy.”
Raha tarihin’ny Fanahy isika dia tokony hifanaraka amin’izany ny ataontsika! Raha tena zanak’Andriamanitra isika dia tokony ho fiainan’ny zanak’Andriamanitra ny fiainantsika!
Velona ny fanontaniana iray tena manan-danja eto. Fantatsika fa nambara fa marina isika teo imason’Andriamanitra raha vao nino an’i Kristy. Marina tanteraka izany. Kanefa fantatsika avy amin’ny traikefa iainantsika koa fa tsy marina mandrakariva ny fitondrantenantsika isan’andro. Ohatra tsotra iray no azo hanazavana ireo zava-misy roa ireo. Toy ny voankazo miha-masaka am-potony. Amin’ny voalohany ilay voankazo dia mbola maintso sady mafy. Fa miha masaka tsikelikely kosa izany noho ny masoandro sy ny orana. Andriamanitra dia mahalala fa tahaka ny hahamatoy ny voankazo no hahatonga antsika ho masaka tanteraka koa amin’ny farany. Izany no antony hiheverany antsika dieny izao ho toy ny efa masaka tanteraka. Fa raha ny fijerintsika kosa dia mbola maitso na manta ary mihantona eo ambony hazo isika.
Ny fahasoavan’Andriamanitra no nahafahantsika nanomboka ny fiainana kristiana. Ary noho ny fahasoavany no hahamatoy antsika miandalana, izany hoe hahatonga antsika hihamasina sy hihatanteraka tsikelikely. Ary noho ny fahasoavan’Andriamanitra ihany no hisian’ny fotoana izay hahamatoy antsika tanteraka, ka ho tanteraka toa an’i Kristy aza isika, ary hiditra any amin’ny fanjakany am-pifaliana. Ry rahalahy sy anabavy, aoka isika tsy hitsahatra ny hidera an’Andriamanitra noho ny voninahitry ny fahasoavany! (Efesiana 1:6).
Galatiana 5:26 “Aoka isika tsy handrani-tena foana ka hifampihaika sy hifampialona.”
Manome ohatra telo ny amin’ny fitondran-tena tsy araka ny Fanahy i Paoly eto. Voalohany, mandrani-tena. Ny heviny dia fitiavana te-hiseho ho tsara eo imason’ny olona. Faharoa, mifampihaika. Ny heviny eto dia manambany ny hafa. Fahatelo, mifampialona. Ny heviny dia tsy fitiavana ny hahatsara na hahatafasondrotra ny hafa mihoatra noho ny tena. Noho ny fandranitan-tena (fisehosehoana) sy ny fialonana no hampiaikentsika na hanambaniantsika ny hafa. Heverintsika fa manandratra ny tenantsika mantsy ny fanaovantsika izany.
Jesosy anefa nampianatra fa raha manao izany isika dia ny mifanohitra amin’izay antenaintsika no ho vokany : “Fa izay manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra” (Matio 23:12). Noho izany, aoka ho ny rahalahintsika sy ny anabavintsika no hasandratsika, fa ny tenantsika kosa haetry.