Ny Baiboly Masina

Ny Fitiavana

I Korintiana 13 : 1 « Na dia miteny amin’ny fitenin’ny olona sy ny anjely aza aho, kanefa tsy manana fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana aho. »

Karazana fiteny anankiroa no tian’i Paoly ho resahina amin’ny hoe fitenin’ny olona sy ny anjely. Voalohany, ny fiteny tsara lahatra sady misy fahefana, izay antsoiny hoe fitenin’ny olona. (Paoly dia sady nahay nandaha-teny no mpitoriteny mahay). Faharoa, ny « fiteny hafa » na fiteny ara-panahy, izay antsoiny hoe fitenin’ny … Anjely eto (I Korintiana 12 :10 ; 14 :18).
Raha tsy misy ny fitiavana dia tsinontsinona ary mikarantsana ihany ny fahaizan’ny olona mandaha-teny sy miteny amin’ny fiteny tsy fantatra.

I Korintiana 13 : 2 « Ary na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana, dia tsinontsinona aho. »

Fanomezam-pahasoavana telo hafa indray no resahin’i Paoly amin’ity andininy ity : ny faminaniana, ny fahalalana, ny finoana (I Korintiana 12 :8-10). Na dia mandray ireo fanomezam-pahasoavana telo ireo amin’ny fahafenoany aza isika, izany hoe na dia mahalala ny zava-miafina rehetra aza isika, ary na dia afaka mahafindra tendrombohitra (Marka 11 :22-23), kanefa tsy manana fitiavana dia tsinontsinona isika ! Raha tsy misy ny fitiavana dia tsinontsinona ireo fanomezam-pahasoavana lehibe ireo !

I Korintiana 13 : 3 « Ary na dia omeko hohanin’ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany. »

Raha tsy misy ny fitiavana dia tsy hisy tombontsoa amin’ny asam-pivavahana. Ny mpanaraka fivavahana hafa dia mitady valisoa amin’ny alalan’ny fanaovana asa tsara. Manome vola ho an’ny mahantra izy ireny ; mandany ny fotoanany amin’ny fanaovana asa soa ; vonona mihitsy aza ny hitondra fahoriana sy hiharan’ny fahafatesana. Fa inona no antony ? Ho amin’inona ? Raha zohina ny farany dia ny hahazoan’ilay olona tombontsoa ho an’ny tenany ihany no hanaovany izany rehetra izany ; ny hahazoana valisoa ara-pivavahana, mba hahazo toerana tsara amin’ny fiainana any an-koatra. Tsy mba ho an’ny hafa no anaovany izany zavatra izany fa ho an’ny tenany manokana.

Ny fampianaran’i Paoly eto anefa dia milaza fa ny « asa tsara » toa izany dia tsy mitondra tombontsoa ho an’izay manao azy. Marina fa mety hanampy kely an’ilay mahantra ny asa toy izany, fa ilay mpanao ny asa kosa tsy hahita izay tombontsoa nokatsahiny tamin’ny fanaovana izany. Eny fa na dia ny kristiana maty nodorana noho ny Filazantsara aza dia tsy handray valisoa raha tsy manana ny afom-pitiavana tao am-pony.

I Korintiana 13 : 4 « Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy ; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, »

Raha nampiasaina ny teny hoe fitiavana ao amin’ny andininy faha-4-7 dia fantatsika fa mikasika ny « olona feno fitiavana » no resahin’i Paoly.

Arak’izany, azontsika vakiana toa izao ny andininy faha-4 : Ny « olona feno fitiavana » dia mahari-po, ny « olona feno fitiavana » dia mora fanahy.

Ny hevitry ny hoe mora fanahy dia tsy malemy fanahy ao am-po fotsiny ihany fa maneho izany amin’ny hafa koa. Ny olona mora fanahy na malemy fanahy dia mitady mandrakariva ny hanao izay tsara ho an’ny hafa.

Mariho tsara fa ny « olona feno fitiavana » izay sady mahari-po no mora fanahy dia manana vokatry ny Fanahy telo : ny fitiavana, ny fahari-po, ny fahamoram-panahy (Galatiana 5 :22).

Ny « olona feno ny fitiavana » dia tsy mba mialona ny hafa. Fa rehefa sambatra sy tafita ny hafa dia faly miaraka amin’izy ireny izy (Lioka 15 :25-32).

Ny « olona feno ny fitiavana » dia tsy mirehareha ary tsy mieboebo fa manetry tena. Araka ireo dikan-teny sasany ao amin’ny Testamenta Vaovao, ny fanetren-tena (na fahalemem-panahy) dia iray amin’ireo vokatry ny Fanahy ihany koa (Galatiana 5 :23). Ny mpieboebo dia tia tena fa tsy tia ny hafa.

I Korintiana 13 : 5 « tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otripo, »

Ny « olona feno fitiavana » dia tsy manao izay tsy mahamendrika ; fa manaja olona sady be fandeferana mandrakariva.

Ny « olona feno ny fitiavana » dia tsy mitady ny azy fa mitady izay soa ho an’ny hafa. Feno fanaovan-tsoa ny fiainany, izay isan’ny vokatry ny Fanahy iray hafa koa (I Korintiana 10 :24,33 ; Galatiana 5 :22).

Ny « olona feno fitiavana » dia tsy mora sosotra. Raha misy olona manao izay mahatezitra na mampalahelo na miteny ratsy azy dia hainy ny miaritra izany mangina. Ny « olona feno fitiavana » dia tsy manao otripo, izany hoe tsy mitahiry am-po na ao an-tsaina ny zavatra tsy mety nataon’ny hafa taminy. Maro amintsika anefa ny mikolokolo ao an-tsaina aman-taonany ny ratram-po sy ny fahatafintohinana nahazo antsika. Rehefa misy olona manao izay tsy mety amintsika ka tsarovantsika hatrany izany, dia manao otripo isika izay. Tsy hadinontsika ny fahadisoana nataon’ilay olona tamintsika ary tsy mety mamela heloka isika. Tsy mba toy izany ny fitiavana. Fa ny olona feno fitiavana dia tsy lany andro mieritreritra izay tsy mety nataon’ny hafa taminy ; ary tsy mba mitady izay hamaly faty.

I Korintiana 13 : 6 « tsy mifaly amin’ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin’ny fahamarinana kosa, »

Ny « olona feno fitiavana » dia tsy mifaly amin’ny tsi-fahamarinana. Tsy te-handre akory izay momba izany izy. Maro amintsika kosa anefa no maika ery hihaino zava-dratsy mikasika ny hafa ! Satria nahoana ? Satria rehefa ambaniana ny hafa dia mahatsiaro ho misandratra isika. Fa tsy mba toa izany velively ny fitiavana.

Ny « olona feno fitiavana » dia miara-mifaly amin’ny fahamarinana. Miaraka hatrany ny fitiavana sy ny fahamarinana (Efesiana 4 :15).

I Korintiana 13 : 7 « mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra. »

Ny « olona feno fitiavana » dia mandefitra ny zavatra rehetra. Eo amin’ny toeran’ny teny hoe mandefitra ny zavatra rehetra, ny dikan-teny amin’ny Baiboly sasany dia manao hoe « miaritra ny zavatra rehetra ». Mitovy ihany ny hevitr’ireo. Miaritra sy mandefitra indrindra amin’ireo be fahalemena sy fahadisoana izy. Tsy mba mampiseho ny fahadisoan’ny rahalahiny amin’ny hafa izy, fa ny manafina izany aza no hataony (I Petera 4 :8).

Raha misy olona tiantsika dia mora ny miaritra ny fahalemen’izany olona izany sy ny fahadisoany. Fa raha toa kosa ka sarotra amintsika ny miaritra ny olona sasany dia azo antoka fa kely dia kely ny fitiavantsika azy.

Ny fitiavana dia mino ny zavatra rehetra. Raha misy olona tiantsika dia te-hino sy hatoky izany olona izany isika. Marina fa mety hamadika ny fitokisantsika aminy ilay olona amin’ny farany, kanefa Andriamanitra no mifampiraharaha aminy amin’izany fa tsy isika. Ny anjarantsika dia ny mino sy matoky ny hafa, fa tsy miahiahy azy. Ny kristiana feno ny fitiavana toy izany dia antsoin’ny olon’izao tontolo izao hoe tsotra loatra, eny fa na ny kristiana sasany aza misy manao izany. Tokony ho fantatsika anefa fa izay antsoin’izao tontolo izao hoe « tsotra loatra » matetika dia tena ny fomba fisehon’ny fitiavan’i Kristy. Eny, tsara tokoa ho an’ny kristiana ny fahendrena sy ny fahaiza-mamantatra, kanefa miaraka amin’izany dia tokony ho feno fitiavana izy.

Ny fitiavana dia manantena ny zavatra rehetra. Raha misy olona tiantsika dia ametrahantsika ny fanantenantsika. Manantena izay hahatsara, hahombiazany, ary hahasambatra ny fiainan’izany olona izany isika. Manantena isika fa hadio ny fony ary ho tsara ny toetrany. Ary na dia mamitaka na namadika antsika aza ilay olona dia mbola hanana fanantenana ny aminy ihany isika.

Ny fitiavana maharitra ny zavatra rehetra. Mandresy mandrakariva ny fitiavana (Romana 12 :21). Tsy mety ho rava mandrakizay ny fitiavana, fa izy no hery goavana indrindra eto an-tany.

Omen’i Paoly ao amin’ny andininy faha-4-7 ny famaritana ny olona feno fitiavana. Toa izany no tokony ho fiainantsika ! Izany koa no tokony ho tanjona tratrarintsika. Fa eritrereto kely ange : fa tsy olona an’eritreritra fotsiny no resahin’i Paoly amin’ireto andininy ireto fa Jesosy Kristy mihitsy. Koa ny tanjona tratrarintsika izany dia ny hitovy amin’i Jesosy, Ilay olon’ny fitiavana (Romana 8 :29).

Ny fitiavana izay resahin’i Paoly amin’ity toko ity dia tsy fitiavana nipoitra avy tao amin’ny olombelona fa avy amin’Andriamanitra irery ihany (I Jaona 4 :7). Ny fitiavana dia asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainan’ny olona (Romana 5 :5). Koa aoka ho vavaka tsotra am-pontsika ny mba hitobahan’izany fitiavan’Andriamanitra izany hatrany eo amin’ny fiainantsika sy eo amin’ny Fiangonantsika.

Misy zavatra manan-danja tsy maintsy fantarintsika eto. Miresaka momba ny fitiavana izay avy amin’Andriamanitra irery ihany i Paoly amin’ity toko ity. Tena samy hafa tokoa ny fitiavana ara-panahy avy amin’Andriamanitra sy ny fitiavana voa-janahary avy amin’olombelona. Tsara ny fitiavan’olombelona  voa-janahary raha tonga lavitra, saingy mifangaro aminy hatrany ny fitiavan-tena. Ankasitrahan’Andriamanitra tokoa ny fitiavana voa-janahary eo amin’ny mpivady na eo amin’ny zanaka sy ray aman-dreny ; kanefa na izany aza dia mifangaro ao anatin’izany fitiavana izany ihany ny hery manosika ara-nofo sy ny fitiavan-tena. Satria mantsy rehefa tia ny vadintsika na ny zanatsika na ny namantsika akaiky isika dia toy ny mitia ny tenantsika ihany (Efesiana 5 :28-29). Mitombona koa izany raha ny hetsika ataon’ny olona amin’ny mahantra sy ny sahirana no jerena. Mandrakariva mantsy izy ireny no miharo faniriana mifono fitiavan-tena ny mba hahazo valisoa na laza na farafaharatsiny fankasitrahana ny tena. Fa ny fitiavana ara-panahy avy amin’Andriamanitra kosa dia tsy mba miharo fitiavan-tena. Izany no antony tsy maha avy amin’olona ity fitiavana ity ; fa avy amin’Andriamanitra irery ihany.

Fa misy fahasamihafany hafa koa amin’ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fitiavan’olombelona. Araka ny fahamendrehan’ny olona no hitiavantsika azy. Moramora amintsika ny tia ny ankohonantsika sy ny namantsika, satria eo imasontsika dia mendrika ny fitiavantsika izy ireo. Fa sarotra amintsika kosa ny mitia ireo tsy mendrika na ireo mahasosotra na ireo mpanota. Tsy mba toy izany fitiavantsika izany anefa ny fitiavan’Andriamanitra ; fa tiany na dia izay tsy mendrika indrindra sy tsy maha-te ho tia indrindra aza (Romana 5 :7-8). Ary rehefa miasa ao anatintsika ny Fanahy Masina dia afaka manampy antsika ho tia ireny olona ireny koa. Tsy maintsy tia azy ireny isika ; sady nandidy antsika rahateo Jesosy ho tia, eny fa na ny fahavalontsika aza ! (Matio 5 :44).

I Korintiana 13 : 8 « Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay ; fa raha ny faminaniana, dia ho levona ; na ny fiteny tsy fantatra, dia hitsahatra ; na ny fahalalana dia ho foana. »

Ny fanomezam-pahasoavana avy amin’ny Fanahy Masina rehetra : ny faminaniana, ny fiteny tsy fantatra, ny fahalalana (I Korintiana 12 :8-10) dia hisy farany ihany. Tsy ilaina intsony ireo fanomezam-pahasoavana manokana ireo rehefa any an-danitra ; fa ho fantatsika sy ho takatsika avokoa ny zavatra rehetra. Hiteny amin’ny fitenin’ny lanitra avokoa isika rehetra rehefa any an-danitra. Fa ny fitiavana dia hitoetra mandrakizay. Nahoana ? Satria Andriamanitra dia fitiavana (I Jaona 4 :8, 16).

I Korintiana 13 : 9-10 « Fa sombintsombiny ny fahalalantsika, ary sombintsombiny ny faminaniantsika ; fa rehefa tonga ny tanteraka, dia tsy hisy sombintsombiny intsony. »

Na dia nahazo ny fanomezam-pahasoavana avy amin’ny Fanahy Masina aza isika eto amin’izao fiainana izao, ny fahalalantsika, ny faminaniantsika, ary ireo asa hafa ataontsika dia tsy ho tonga lafatra mihitsy. Fa rehefa tonga ny tanteraka, izany hoe ny any an-danitra, dia ho tanteraka ny fahaiza-manao sy ny asa rehetra ataontsika ; satria amin’izay fotoana izay isika efa mitovy amin’i Kristy (I Jaona 3 :2).

I Korintiana 13 : 11 « Fony mbola zaza aho, dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza ; fa nony efa lehibe aho, dia nariako ny fahazazana. »

Ho an’ny mpino dia toy ny fahazazana ny fiainana an-tany. Rehefa any an-danitra isika vao ho tena matotra tanteraka ; fa tsy maintsy mitombo eto amin’ity fiainana ity, ary miezaka miala amin’ny fahazazana, araka izay azo atao.

Maro ny endrika maneho fa mbola toy ny zaza ny Korintiana (I Korintiana 3 :1-3 ; 11 :20-21, 14 :20). Nandray fanomezam-pahasoavana maro izy ireo kanefa tsy mba nihamatotra. Raha mijery ireto mpino Korintiana ireto isika dia afaka misintona fahamarinana lehibe araka izao : ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy dia tsy mahatonga ny olona ho araka ny Fanahy. Tsy ny fanomezam-pahasoavana avy amin’ny Fanahy Masina no mahatonga ny olona ho araka ny Fanahy fa ny vokatry ny Fanahy (Galatiana 5 :22-23). Mihamatotra sy lasa araka ny Fanahy ny olona rehefa miseho eo amin’ny fiainany ny vokatry ny Fanahy. Tena ilain’ny kristiana tsirairay tokoa ireo vokatry ny Fanahy ireo. Ny fanomezam-pahasoavana dia omen’ny Fanahy ny tsirairay, ny iray ho an’ny olona iray, ary ny iray hafa ho an’ny olona anankiray hafa. Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia omena ny mpino rehetra amin’ny fatra mitovy. Samy ilaintsika eo amin’ny fiainantsika avokoa na ny vokatry ny Fanahy na ny fanomezam-pahasoavana avy amin’ny Fanahy ; fa ny tena ilaintsika indrindra dia ny vokatry ny Fanahy.

I Korintiana 13 : 12 « Fa ankehitriny isika mizaha ao amin’ny fitaratra ka tsy mahita marina ; fa rahatrizay dia mifanatrika ; ankehitriny sombintsombiny no fantatro ; fa rahatrizay dia ho fantatro tsara toy izay nahafantarana ahy »

Raha fitaratra maloto na efa tonta no hijerentsika dia tsy mahita marina isika. Tahaka izany koa, ny fahalalantsika na ny fahendrentsika ankehitriny dia « tsy hahafahantsika mahita marina » ny tena zava-misy. Tsy tena mazava ny fahitantsika. Amin’izao fiainana izao dia finoana no andehanantsika, fa tsy fahitana (II Korintiana 5 :7). Fa rehefa tonga any an-danitra isika dia hahita mazava tsara sady mifanatrika (I Jaona 3 :2). Dia hahalala an’Andriamanitra isika amin’izay, tahaka ny hahalalany antsika ankehitriny.

I Korintiana 13 : 13 « Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra : ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana ; fa ny fitiavana no lehibe amin’ireo »

Ho foana ny zavatra rehetra ety an-tany afa-tsy ireto zavatra telo ireto : ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana (I Tesaloniana 1 :3). Fa amin’ireo telo ireo, ny fitiavana no lehibe indrindra, dia ny fitiavan’Andriamanitra. Avy amin’ny fitiavan’Andriamanitra no nihavian’ny zavatra rehetra. Efa hatramin’ny voalohany indrindra no nisian’ny fitiavan’Andriamanitra. Ary Izy no nitia antsika mialoha (Jaona 3 :16 ; Romana 5 :8 ; I Jaona 4 :10,19).

Avy amin’ny fitiavan’Andriamanitra ny fitiavantsika. Ary ny fitiavana ara-panahy rehetra ananantsika eo amin’ny fiainantsika dia avy amin’Andriamanitra avokoa, izay nampidina ny fitiavany ho ao am-pontsika tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina (Romana 5 :5). Ary satria Andriamanitra nanome antsika ny fitiavany, dia miandry antsika hifankatia kosa Izy (I Jaona 4 :7, 11).

Avy amin’ny fitiavan’Andriamanitra koa no hihavian’ny finoantsika (I Jaona 4 :16). Tamin’ny fitiavany no nifidianany antsika mialoha ary niantsoany antsika ho amin’ny finoana. Ho deraina anie ny Anarany !

Ny fanantenantsika koa dia avy amin’ny fitiavan’Andriamanitra (I Jaona 4 :17). Fa inona moa no antenaintsika ? Tsy inona fa ny famonjena, ny fiainana mandrakizay. Manantena isika fa mbola hifankahita hifanatrika amin’Ilay Raintsika any an-danitra indray andro any, ary hitoetra amin’ny fitiavany mandrakizay.

Ary rehefa any an-danitra dia tsy hisy afa-tsy fitiavana ihany ; satria tsy ilaina any intsony ny finoana sy ny fanantenana.