Ireo Komitin'ny Firaisan'ny Fiangonana teto Ambohimalaza tamin'ny taona 1925
Foto-pinoana
Manaraka ny foto-pinoana protestanta avy amin'ny fanitsiam-pivavahana ny FPTAF ka manao ny :
Soratra Masina Irery Ihany ho fanovozana ny finoana ka ilaina ho toriana sy aparitaka eran-tany,
Finoana Irery Ihany ho fahazahoam-pamonjena, ka ilaina ho ampiasaina mba hamokatra,
Fahasoavana Irery Ihany ho loharanom-pitahiana, ka ilaina ho raisina amim-pifaliana ombam-pisaorana.
Jesoa Kristy Irery Ihany ho làlana ahazoana Famonjena.
Andriamanitra Irery Ihany homena Voninahitra >>>
Perikopa
-
05 Taom-baovao
- Diakona 1
- Ezekiela 18:23-32
- Marka 13:23-37
- Kolosiana 3:10-17
-
11 Rojom-bavaka
-
12 Fiangonana
- Diakona 2
- Salamo 51:10-17
- Matio 5:1-18
- Efesiana 6:10-18
-
19 Fiarahabana Zokiolona + Afa-panadinana
- Diakona 3
- Genesisy 8:6-20
- Marka 10:46-52
- Hebreo 6:13-20
-
26 Ankatoka
- Diakona 1
- Ezekiela 36:24-30
- Matio 28:18-20
- Apokalypsy 21:1-5
-
02 Fiangonana
- Diakona 2
- Isaia 1 : 16- 20
- Matio 7: 21-23
- 1 Jaona 4: 12-16
-
08 Rojom-bavaka
-
09 Fiangonana
- Diakona 3
- Jeremia 11: 1-5
- Lioka 15:1-7
- 1 Jaona 2: 12-17
-
16 STA
- Diakona 1
- Salamo 51: 6- 17
- Lioka 17: 1-4
- 1 Petera 5: 5- 9
-
23 Ankatoka
- Diakona 2
- Levitikosy 16: 1-9
- Matio 7: 24-29
- Romana 7: 14-25
-
02 Fiangonana
- Diakona 3
- Salamo 33
- Jaona 1 : 1-18
- Efesiana 1: 15-23
-
08 Rojom-bavaka
-
09 Fiangonana
- Diakona 1
- Salamo 132
- Jaona 1 : 19-34
- Efesiana 3 : 7-21
-
16 ANTSO FIDERANA
-
23 Ankatoka
- Diakona 3
- Isaia 12 : 1-6
- Matio 4 : 1-17
- Kolosiana 1: 9-29
-
30 Fiangonana
-
06 Fiangonana
- Diakona 2
- Eksodosy 2: 1-12
- Jaona 19: 1-16
- Romana 10: 1-17
-
12 Rojom-bavaka
-
13 Sampan-drofia
- Diakona 3
- Eksodosy 3 : 14-17
- Jaona 19 : 17-27
- Titosy 3 : 1-6
-
20 PASKA
-
27 Ankatoka
- Diakona 2
- Eksodosy 15 : 1-18
- Jaona 20 : 1-18
- Titosy 2: 1-15
Fiofanana L.Diakona
-
04 Alahady Mpitandrina
-
10 Rojom-bavaka
-
11 Fiangonana
- Diakona 1
- Joela 2:12-17
- Lioka 15:10-25
- Kolosiana 3:9-10
-
18 LOKANGA DAVIDA
- Diakona 2
- Ezekiela 38:1-7
- Matio 4:13-23
- Asa 9:1-22; Rom.12:2
-
25 FVK
Ankatoka
Fety Reny
-
01 Fiangonana
-
07 Rojom-bavaka
-
08 PENTEKOSTA
-
15 FLK
Fety Ray
-
22 Ankatoka
Fetim-pirenena
-
29 Fampianarana
-
06 Fetin'ny taranaka
- Diakona 3
- Salamo 81:1-3
- Matio 7:24-29
- I Petera 1:13-19
-
12 Rojom-bavaka
-
13 Fiangonana
- Diakona 1
- Ezra 3: 8-13
- Jaona 2: 13-22
- Hebreo 1:8-14
-
20 Fiangonana
- Diakona 2
- Zefania 2: 1-3
- Matio 21: 12-17
- Kolosiana 1:15-23
-
27 STA
Fiofanana Diakona+Loholona
-
03 Fiangonana
-
09 Rojom-bavaka
-
10 Fiangonana
- Diakona 2
- Ohabolana 10: 10-13
- Matio 12: 31-32
- Romana 6: 8-14
-
17 Fiangonana
- Diakona 3
- Isaia 11: 1-10
- Matio 3: 7-12
- Romana 15: 4-13
-
24 ANTSO FIDERANA
- Diakona 1
- Daniela 9: 15-23
- Marka 7: 14-23
- Apokalypsy 3: 1-6
Ankatoka
-
31 Fampianarana
- Diakona 2
- Salamo 51:1-19
- Jaona 14: 12-17
- 2 Petera 3: 8-13
-
07 Fiangonana
- Diakona 3
- Salamo 115
- Marka 2 : 1-12
- Romana 5 : 1-11
-
13 Rojom-bavaka
-
14 Fiangonana
- Diakona 1
- Genesisy 2 : 1-25
- Jaona 10 : 1-21
- Hebreo 11 : 1-16
-
21 Fiangonana
- Diakona 2
- Salamo 133
- Marka 11 : 22-25
- Hebreo 11 : 17-40
-
28 FVK
Ankatoka
-
05 Fiangonana
-
11 Rojom-bavaka
-
12 Fiangonana
-
19 Alah.Mpitendry
-
26 FLK
Ankatoka
Fiofanana Diakona sy Loholona
-
02 V. Serasera
-
08 Rojom-bavaka
-
09 Fiangonana
-
16 Lokangan’i Davida
- Diakona 1
- Isaia 41: 8-18
- Jaona 16 : 29-33
- Efesiana 4 : 1-7
-
23 MSSV
Ankatoka
-
30 Fiangonana
- Diakona 3
- Deotoronomia 6:1-9
- Matio 5 : 38-48
- Romana 8 :35-39
-
07 V. Fiainam-panahy
-
13 Rojom-bavaka
-
14 Fiangonana
-
21 STA
Fiarahabana ny afa-panadinana 2025
-
25 KRISMASY
- Diakona 3
- Nomery 6 : 22-27
- Matio 2 : 1-12
- 2 Timoty 3 : 14-1
-
28 Famaranana Taona
Ankatoka
Mofon'aina
I Tim 4 : 13
13Mandra-pahatongako, dia mahavara tsara mamaky ny Soratra Masina sy mampirisika ary mampianatra.
Ny Fanompoam-pivavahana eto amin'ny FPTAF dia isaky ny Alahady Maraina manomboka amin'ny 9 ora sy sasany
Ny Fandraisana ny Fanasan'ny Tompo dia isaky ny Alahady Voalohany sy Alahady Fahatelon'ny volana
Lohahevitra banjinina volana
: FANAVAOZANA FANKATOAVANA FANOMPOANA FAMONJENA FIOVANA FITSARANA FIANGONANA FIBEBAHANA FINOANA FANANTENANA FITIAVANA
Eo foana ny Fanahy Masina rehefa hanao zava-baovao ny Zanahary. Mamorona avy amin’ny tsy misy Izy ka mahary ary mahay manavao ny efa misy ka manatsara. Simban’ny fanahy ratsy feno ota ny zava-boahary rehetra izao ka mila havaozina. Ny fiovaana ho amin’ny tsara no mahasoa sy mampiadana ka mahasambatra. Mandalo fanavaozana mafy mihitsy vao ho tena tonga amin’ny tanjona mahafaly. Sitraky ny Zanahary ny olona ratsy fanahy, lozabe, mpangalatra, mpandainga, mpamono olona, sns…, mba hiova hihavao ho amin’ny tsara, ka hiala amin’ny ratsy fanaony, hifona sy hanatona Azy ka hibebaka, fa hamela heloka Izy ka hanome ny fahasoavany ho azy ireny. Tonga saina ilay zanaka adala ka niverina nanatona ny rainy, sady nivazina no nifona. Miovà amin’ny fanavaozana ny saina mba hamantarana ny sitrapon-Janahary izay tsara sady ankasitrahana no marina sy masina. Raha miala amin’ny lalan-dratsiny ny olona, tena ho velona tokoa izy. Fa raha ny marina no miala amin'ny fahamarinany ka manao meloka ary manaraka ny fahavetavetana rehetra izay nataon'ny ratsy fanahy, ho velona va izy? Tsia, fa ho faty tokoa izy, indrisy, mampalahelo izany. Aleo miova ho amin’ny tsara toy izay miova ho amin’ny ratsy. Koa samy hotsarain-Janahary araka ny nataony avy ny olona. Miverena anio ka mibebaha amin'ny fahadisoana rehetra vita, mba tsy ho fahatafintohinana mahameloka intsony izany. Ialao àry ny ratsy, meteza havaozin’ny Fanahy Masina! Koa mibebaha ianareo mba ho velona, indrindra ianareo mihevi-tena ho lehibe. Hanavao ny asan-tanany, ny tany aman-danitra, ny Zanahary; koa mitandrema kosa, miambena fa hohavaoziny ny zava-drehetra! Ary amin'izany andro izany, raha afaka ny fahoriana lehibe, ny masoandro hohamaizinina, ny volana tsy haneho fahazavana, ny kintana hiraraka avy eny amin'ny lanitra, ary hohozongozonina ny hery izay ao amin'ny lanitra. Amin'izay i Kristy Tompo no ho hita avy eo amin'ny rahona amin'ny hery lehibe sy ny voninahitra. Haniraka anjely Izy hanangona ny olom-boafidiny hatrany amin'ny faran'ny tany aman-danitra. Raha vao manaroka ny aviavy ka mandravina, efa akaiky ny loha-taona. Toy izany koa, raha vao hita fa tonga izany zavatra izany, aoka ho fantatra fa efa mby akaiky eo am-baravarana Izy. Hisy foana ny taranaka ity mandra-pahatongan'izany rehetra izany. Mitandrema, miambena, mivavaha; fa ho avy tampoka Izy. Mihavaoza ka tafio ny toetra vaovao izay havaozina ho amin'ny fahalalana tsara araka ny endrik'Ilay nahary azy. Fa amin'izany tsy misy Grika sy Jiosy, na voafora sy tsy voafora, na barbariana sy Skytiana, na andevo sy tsy andevo, fa Kristy no zavatra rehetra sady amin'ny rehetra. Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fandeferana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, araka ny maha-olom-boafidin-Janahary sady masina no malala. Mifandefera, ka mifamelà heloka, raha misy manana alahelo amin'ny sasany; tahaka ny namelan'ny Tompo Kristy ny helokareo no aoka mba hifamelanareo heloka kosa. Ary aoka ho ambonin'izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin'ny fahatanterahana izany. Ary aoka hanapaka ao am-po ny fiadanan'i Kristy, fa ho amin'izany no niantsoana ny mino ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana! Aoka ny Tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao anaty amin'ny fahendrena rehetra, ka mifampianara ka mifananara, mihira amin'ny fahasoavana ao am-po ho an-Janahary. Ary izay rehetra atao, na amin'ny teny, na amin'ny asa, ataovy amin'ny anaran'i Jesoa Tompo izany rehetra izany, ka misaora ny Zanahary, amin'ny alalany. Ry olombelona ô, efa naseho anao izay tsara sy izay ilain'i Jehovah aminao: ny hanao ny marina sy ho tia famindram-po ary ny hanaraka Azy amin'ny fanetren-tena. Mbola misy rakitry ny faharatsiana ihany va sy famarana tsy ampy izay voaozona, ao an-tranon'ny ratsy fanahy? Mety madio va ny firenena raha manana mizana mandainga sy kitapo misy vato tsy marina? Fa feno loza ny mpanan-karenany, mandainga ny mponina ao aminy, ary lela feno fitaka no eo am-bavany. Ny Zanahary kosa hikapoka maharary azy ka handringana azy noho ny helony. Hihinana izy, nefa tsy ho voky; hampirina izy, nefa tsy hahavonjy; hamafy izy, nefa tsy hijinja; hanosihosy oliva izy, nefa tsy hihosotra diloilo, hanosihosy ranom-boaloboka izy, nefa tsy hisotro divay. Miovà, mihavaoza, fa aza mitandrina ny lalàn'i Omry sy ny asan'ny taranak'i Ahaba intsony na ny fisainany, sao atolotry ny Zanahary ho figagana, na ho toy ny zavatra mampisitrisitra ianao! Farany, izay nifanenjika sy nifanaratsy, aoka hihavao ka hihavana hifanampy sy hifanohana; izay nifampialona mihavaoza ka miaraha manompo ny Zanahary amin’ny fitiavana sy fifaliana ho voninahitry ny Anarany! Mihavaana amin’ny Zanahary sy ny namana ary ny tena! Fanavaozana tena mahagaga no omen’ny Tompo izay mino Azy. Raha misy olona ao amin’i Kristy, olom-baovao niova saina, niova fo, madio fanahy, olona nateraka indray ka tsy izy intsony no velona fa Kristy no velona ao anatiny. Roahy ny ratsy ka raiso ny tsara! Soa raha tonga olom-baovao ianao! Mihavaoza ka tafio ny toetra vaovao izay havaozina ho amin'ny fahalalana tsara araka ny endrik'Ilay Zanahary, Fitiavana! Amena.
Ho aminao anie ny fiadanan'ny Tompo! Amena!Ny Mpitandrina RAKOTOSON Philippe
Manaiky hanao ny asa, manaraka izay voalazan’ny baiko, manao izay takiana, fa mifady izay andrarana, no atao hoe mankatoa. «Shama» ny teny hebreo midika: re sy heno ka tanterahana. Atao ny sitrapon-Janahary ho fankatoavana Azy. Fa nihaino ny feon’ny fanahy ratsy i Eva ka nanaraka ny teniny fa tsy nankatoa ny Mpahary azy. Azo adika mankatoa ny teny grika «hypakoô» sy « peitô ». Ka mihaino mandray fahalalaana aloha, vao manatanteraka ny sitra-pon’ilay nitafa. Mino ka miasa arak’izany no atao hoe mankatoa. Ankatoavy ny Zanahary fa Izy no Loharanon’aina. Ho faty izay mandà Azy, fa miankina Aminy ny fiainana. Mamita-tena izay mino fa marina ny zavatra iray nefa tsy mankatoa. Tsy hahazo fitahiana izy. Mora tsy mankatoa ny olona ka mila miady mafy amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra. Italahoy ny Fanahin’i Kristy hanampy hankatoa ny Zanahary, mba hiadana sy ho sambatra ary ho faly sy hifankatia isika ka samy hifamela heloka. Ny olona mino sy mankatoa no ho voatahy. Mankatoa noho ny fitiavana izay manana toe-po tsara. (2 Jaona 3-6-9). Notendren-Janahary ho Mpanjaka ny Zanany, ka tokony hankatoa Azy ny rehetra. Ny fanjakana eto an-tany izay mitarika antsika hanompo sampy sy hanao ny tsy fahamarinana ve mbola tokony ho ankatoavina ? Valiny : «tsia!» Zanahary ihany no tena Mpitondra ka ankatoavina fa tsy olona.
Mitsahara, fa aza manao ratsy. Mianara hanao ny tsara. Diniho izay rariny, anaro ny mpampahory. Omeo rariny ny kamboty, tsarao ny adin'ny mpitondratena. Aoka hisasa sy hidio ka hanala ny fanao ratsy rehetra. Fa izay manaiky sy mankatoa no hisitraka ka hihinana ny voka-tsoan’ny tany! Izay manao ny sitrapon-Janahary ihany, amin’ny finoana, fitiavana sy fifaliana, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra.
Fanahy ny Zanahary ka tsy hita maso, tsy mbola nisy nahita Azy na oviana na oviana. Nefa raha mifankatia isika, tena mitoetra ato amintsika Izy satria FITIAVANA Izy. Ny Fanahiny manambara fa Kristy Zanany no Mpamonjy izay mino Azy. Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan-Janahary antsika, fa Fitiavana Izy ka izay mitoetra amin'ny fitiavana no mitoetra ao Aminy sady Izy ao amintsika. Amena.
Ny Mpitandrina RAKOTOSON Philippe
Fanaovana asa ho Fanajana olona fatratra sy Fanekena ny sitra-pony no atao hoe: Fanompoana. Ny andriana mandova fanjakana ny andevo mandova fanompoana. Fanompoan’ny andevo, tsy fidiny azy, ary raha azony ialàna, andosirany. Noporetin’ireo irak’andriana, fahefana nisy, taona 1885-1895, ny vahoakan’ny faritra faha-6 teto Imerina. Fa lany andro fotsiny amin’adi-lahy ireo mpitondra sy miaramila; fa nifanara-tsaina kosa rehefa ampahory sy itsentsitra ny vahoaka izay nandry tsy lavo loha (lainga, jirika, ady, tontakely, kolikoly, sns…). Taona 1896 no porofo mivaingana fa rava ho azy ny fahefana izay nampahory ny madinika sady naorina amin-dainga sy sampy ary alahelom-bahoaka. Hafa ny fanompoana ny Tompo fa io ihany no atao an-tsitra-po amim- pitiavana, amim-pifaliana, ho voninahi-Janahary, ka aina no fetra. Izay nofidian'ny Tompo hanao ny asany na inona karazana fanompoana, no mpanompony voafidy ka tsy ho ariany. Angataho Izy hanampy amim-panaovana izany fa aza mitoky amin'ny herin'ny tena sy ny fahalalana fotsiny. Alao hery! Nasain’i Kristy namoky olona dimy arivo lahy ny mpianany izay tsy nanana afa-tsy mofo dimy sy hazan-drano madinika roa. Rehefa mino sy matoky Azy, mahagaga fa vita ny asa, nihinana izy rehetra ka voky, ary nisy ambiny roa ambin’ny folo sobika nenti-nody. Miteny amin’ny kristiana malagasy ny Tompo izao: «omenareo hanina ny vahoaka Malagasy». Mpianatra izay tsy nitaky karama fa nihinana izay naroson'ny olona, ireo indray no asaina manome hanina ny olona, rehefa niteny hoe "ravao ny vahoaka samy hitady hanina sy kidoro fandriana ho azy avy". Tsia fa fiharian-karena iombonana, kominisima na haren’ny apostoly no ilaina hoy ny Tompo. Tsapao ny fahorian'ny hafa na kely aza ny ho enti-manana, tsy mahasakana izany. Ilaina ny zotom-po hisahirana, hisikina hanompo, fa sarotra ny asa. Io no Fanompoana. Raha nitantara ilay Fanasana niarahan'i Jesoa sy ny Mpianany i Jaona, tsy fanasana "sakafo" no nolazainy fa fanasana "tongotra" (Jao.13): fanaovana ny asan'ny mpanompo, asan’ andevo, ny fanasana tongotra. Didim-pitiavana, fitia vonona hanompo tsara hatramin'ny fara-fofonaina no didin-Janahary Fitiavana. Manaiky hanompo ny hafa, eny fa na efa reraky ny asa fitoriana aza. Izay talenta ananana no atolotra hanompoana ny Tompo sy ny hafa, mba hifampizarana ny kely, hitsinjovana ny mahantra, hampivoarana ny fiaraha-monina. Tanteraho Tsara ny Fanompoana! Tsarovy fa na ilaina aza ny fianarana, ny Zanahary no tena manolotra fahaizana hanaovana ny fanompoana. Kaodia, mailoa, mitandrema, miambena, iareto ny fahoriana, tanteraho ny fanompoana. Ampiasao tsara ny fotoana. Tohizo ny ezaka natomboka. Zarao ny asa araka ny talenta avy. Tarafo ny voninahi-Janahary. Aoka tsy hisy hampimalo. Mavitriha, marisiha mba hamirapiratra, ka ho hitan’ny olona ny asa tsara atao, hanomezany voninahitra ny Zanahary. Kajio ny fitondran-tena tsara. Matokia ny Tompo, ankamamio ny fanompoana Azy ka tontosay! Hobia Izy fa mendrika Azy izany. Derao sy ankalazao amin-dokanga sy valiha tory folo. Mihirà fihiram-baovao ho Azy; tendreo amin'ny feo fifaliana fa mahitsy Teny Izy ary mahatoky ny asany. Marina Izy ary henika ny famindram-pony ny tany. Ny fahatahorana Azy no fiandohan’ny fahendrena, fa Izy no mahafoana ny fisainan'ny firenen-tsamy hafa; mahatsinontsinona ny hevitry ny olona. Sambatra ny firenena izay manana Azy ho Tompo! Fa Izy no Mpamantatra ny asany rehetra. Tsy misy mpanjaka voavonjin'ny hamaroan'ny miaramilany; ny olo-mahery tsy voavonjin'ny haben'ny heriny. Zanahary no ifalian'ny fo, masina, itokiana, azo antenaina ny famindram-pony. Nahariana ny zava-drehetra ny Teniny ka nisiam-piainana nanazavana ny olona, ary izay nandray Azy nahazo hery tonga zana-Janahary feno fahasoavana manana amby ampy sy fahamarinana. Izay manompo amim-pitiavana no mahalala ny Zanahary Fitia ka manana ny fanahin'ny fahendrena. Ny Fanjakam-pitiavana mitaky fanompoana amim-pitiavana! Amena
Ho aminao anie ny fiadanan'ny Tompo! Amena!Ny Mpitandrina RAKOTOSON Philippe
Andininy malaza momba ny famonjen-Janahary io. Lehibe ny fitiavany antsika, ka natolony ho sorona ny Zanany Lahy Tokana (Jesoa Kristy), mba hahazoan’izay rehetra mino Azy fiainana mandrakizay. Ny tena fototr’io hafatra feno toky io «famindram-pon-Janahary» no mitaona ny olona rehetra hibebaka sy hino, mba ho velona mandrakizay doria alaovalo ataranoana izy. Fitiavana sy famonjena no Filazantsara.
❤️1. Fitiavana. Eny Fitiavana ny Zanahary (1 Jao. 4:8) ka namorona ny olona hitovy endrika Aminy. Mbola tia antsika tsirairay avy Izy, na lavo tamin’ny fahotana aza isika. Fitiavana Izy ka nanome ny Zanany (Jesoa Kristy), ho fanavotana antsika amin’ny ota. Fahasoavana izany.
✝️ 2. Famonjena. Eny famonjena no vokatry ny fitiavan-Janahary ny mino. Tafasaraka taminy isika noho ny fahotana, koa ny fahafatesan’i Jesoa teo amin’ny hazo fijaliana no nanavotany antsika. Sorona Izy ho sazin’ny otantsika, nefa velona indray kosa Izy ho famantarana fa resiny ny fahafatesana. Izay mino sy manaiky Azy ho Kristy Tompo sy Mpamonjy no afaka amin’ny ota, ka mahazo ny fiainana vaovao. Mila madio fo isika, ateraka indray amin’ny Teniny ho tonga zanany.
3. Ahoana no handraisana izany fitiavana sy famonjena izany?
Vita fihavanana amin-Janahary isika raha manatona Azy, mibebaka miaiky ny fahotantsika, ka mangataka ny famelan-keloka. Mino an’i Jesoa ho Mesia sy Mpanavotra antsika ka vonona ny ho ateraka indray, hanana fiainam-baovao mifanaraka amin’ny sitrapon-Janahary amin’ny fiainana isan’andro, amin’ny alalan’ny Teniny sy ny Fanahy Masina.
4. Vokatry ny Fitiavana sy Famonjena. Rehefa mandray an’i Kristy amin’ny fony ny olona no mahazo fiadanana sy fifaliana, satria fantany fa voavela ny helony ka manana fiainana mandrakizay izy. Ny Fanahy Masina no manome hery hialana amin’ny fahazaran-dratsy ka hanara-dia Azy. Voasariky ny Fitiavany ka mizara izany amin’ny hafa koa.
🌟 Famaranana. Ny fitiavan-Janahary sy ny famonjeny no hany fanomezan-dehibe atolony ho an’ny mino rehetra. Aza manangona fahamarinana amin’ny herin’ny tena, fa manasa antsika Izy handray ilay fanomezam-pahasoavana amin’ny finoana sy fankasitrahana.
Ny Mpitandrina RAKOTOSON Philippe
Fiovaana mandalo amin’ny fanovaana; fihavaozana mandalo amin’ny fanavaozana; fihatsaraana mandalo amin’ny fanatsaraana. Miova ho vao ary tsara kokoa amin’ny lafiny maro samy hafa, ara-tsaina, ara-nofo, ara-panahy, ara-toetra, ara-pomba, ara-toe-karena, … ny mino. Atao ny fanovaana ny fomba fisainana, ny fomba fiasa, ny fomba fanao. Atao koa ny fanavaozana ny saina mandinika (mamakafaka), ny saina fihetseham-po (faly na tezitra na matahotra na ory), ny saina sitra-po manapa-kevitra. Manatsara ny finoana ny faneken’ny saina fa marina ny Teniny ka faly miankina Aminy (tsy misalasala). Ny Finoana misy iray ampifampitomboina amin’ny Fitiavana in-telo vaika ka zaraina amin’ny Olana maro sedraina izay heverina ho zava-poana (satria fahavalo resy) no ahazahoana Fifaliana in-droa heny. Fitiavana ampifampitomboin’ny Asa sy Fanantenana no mbola ampitomboin’ ny Finoana velona, tsara, ka na zarain’ny Olana (potehany) aza izany, vao mainka miteraka Fifaliana safononoka in-droa heny. Faly fa nahazo tombony, fahasoavana, resy ny ota, ny simba, ny ratsy maro, faly koa fa velona ka vonona hiova. Izay no fiadanana omen’ny Tompo! Olom-baovao ny olona ao Aminy, nateraka indray, miova ho tsara, satria Kristy mihitsy no velona ao anatiny. Izay mino mandray Azy ao amin’ny fiainany no mpandresy. Miova avokoa ny momba azy rehetra. Fiovaana avy amin’ny haizina ho amin’ny mazava, avy amin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana, ary avy amin’ny nofo ho amin’ny Fanahy. Resahana lalina ny momba ny fahaterahana indray, ny finoana an’i Jesoa Kristy ary ny fiainam-pitiavana. Fototry ny fiovana ho an’ny mino izany. Fahaterahana indray (Jaona 3:3-6). Ateraka indray ny olona vao ho tafiditra ao amin’ny Fanjakan’ny Lanitra. Ny fahateraham-baovao ara-panahy avy amin’ny TENY no midika hoe fanovaana lalina avy ao anaty, fanombohana vaovao miaraka amin-Janahary indray. Finoana an’i Jesoa Kristy no manome fiainana (Jaona 3:16) Fitiavan-Janahary manolotra ny Zanany mba hamonjy ny mino no ananana fiainana mandrakizay. Manova toetra (avotra, velona) sy manova toerana (paradisa, lanitra) ny finoana. Fiovana avy amin’ny haizina ho amin’ny mazava (Jaona 8:12) . Jesoa Kristy Teny tonga nofo no Fahazavana; ka izay mino Azy hanana ny fahazavan’aina. Miala amin’ny haizin’ny ota (tsy fahalalana) ka miditra amin’ny fahazavan-tsaina (Fahamarinana). Fanekena sy fanompoana an’i Kristy (Jaona 12:26). “Raha misy manompo Ahy, aoka hanaraka Ahy izy...” Tsy mijanona amin’ny finoana fotsiny, fa mitarika amin’ny fanarahana sy fanompoana an’i Jesoa izany fiovaana izany. Fiovaana ho zana-Janahary (Jaona 1:12-13). Fa izay rehetra nandray Azy, no nomeny hery ho tonga zanaky ny Tsitoha. Manana sata vaovao, tsy mpanompo intsony fa zanaka. Mahafinaritra ka manome hery ny Filipiana 4:4: Mifalia mandrakariva ao amin'ny Tompo! Fiovaana ho an'ny mino no anasaana azy hanana fiainana anaty fifaliana maharitra na inona toe-javatra miseho. Ireto no fiovaana mitranga eo amin'izay miaina izany. Fiovaana amin'ny toe-tsaina. Ny mino na mandalo olana aza afaka mahita antony ifaliana satria fantany fa eo anilany mandrakariva ny Tompo. Tsy fifaliana voafetran’ny toe-javatra tsara ihany, fa fifaliana mifototra amin’ny finoana sy fitokisana feno amin-Janahary. Fiova-piainana manaporofo fanantenana. Mifaly foana ny mino manoloana ny zava-tsarotra, no mampiseho amin’ny hafa ny fanantenany sy ny fitokisany ny Tompony. Lasa porofo velon’ny finoana ao anatiny izany. Fahafahana amin’ny tebiteby sy ahiahy. Filipiana 4:6, no milaza fa tsy manahy ny mpino feno vavaka. Ny fifalian’ny Tompo no manampy amin’ny fanalana enta-mavesatra ara-tsaina, ara-nofo, ara-panahy. Tsy mimalo. Fifandraisana lalina kokoa amin’ny Tompo. Mifaly foana ny mino miaina akaiky Azy, mahatsiaro Azy isan'andro, mitady Azy amin'ny zava-drehetra. Io fifandraisana io no loharanon’ny fifaliana marina. Tena fiovaana avy ao anatiny, mitaratra any ivelany. Mifankazara amin’ny Tsitoha fa hiadana ianao! Tena tsara izany! Fohy, fa lalina ary manan-kery be! Hojerena ny fomba ahafahana miaina izany. Tena baiko ny "Mifalia" tsy resaka fihetseham-po fotsiny, fa fanapahan-kevitra, fomba fijery, fanekena ny fahamarinan-Janahary sy ny fahatsaran-toetrany amin'ny fiainantsika. Midika izany fa na eo aza ny alahelo sy ny zava-tsarotra maro, mbola afaka mifaly isika mino satria fantatsika ny Tompo. «Mandrakariva» Azo tanterahana na sarotra aza ny manam-piainam-pifaliana foana fa tsy hoe "amin’ny fotoana tsara" na "indraindray ihany" fa lalandava. Midika izany fa tsy miankina amin’ny zava-misy hita maso ara-nofo toy ny toe-karena na fahasalamana na fihetseham-po na fahombiazana, fa miankina amin’Ilay tsy miova: Jesoa Kristy. Izy no fototry ny fifaliantsika. «Ao amin’ny Tompo» Ny fifaliana resahina eto, tsy avy amin’izao tontolo izao. Raha tsy ao amin’ny Tompo, tsy ho azo atao ny hifaly mandrakariva. Midika hoe: amin’ny fifandraisana amin’i Kristy, amin’ny fahafantarana Azy, amin’ny fiainana amin’ny fanatrehany, amin’ny fahatokisana Azy. Andao àry ho hampiharina izany. Manomboha ny andro ao amin’ny Tompo. Vavaka fohy sy fisaorana isan'andro, rehefa mifoha: "Tompo ô, misaotra fa eo Ianao. Ambeno ny saiko sy foko mba hifaly ao Aminao androany, na inona mitranga, fa ampy ho an’ny andro ny ratsy miseho eo aminy. Ary ampy ho ahy ny fahasoavanao!" Amena! Mifantoha amin’ny zavatra tsara . Filipiana 4:8 Zavatra tsara sy marina eritreretina fa avelao any adinoy ny zava-dratsy. Ny fijerena ny soa, fibanjinana ny tsara, no manokatra lalana ny fifaliana ho avy. Misaora na amin-java-tsarotra aza. Aoka hivazina ho fahafahana: "Inona no azoko ankasitrahana androany, na sarotra aza ny toe-javatra?" Izany toe-tsaina izany no mampitsimoka fifaliana.. Mifandraisa amin'ny hafa amin’ny fanantenana. Aza mikizaka. Izarao teny mamy, ampaherezo ny hafa, zarao ny hafalianao. Fa misy hery manasitrana amin’ny fizarana teny feno finoana sy fitiavana. Mibanjina an’i Jesoa hatrany. Tahaka an’i Petera nandeha teo ambonin’ny rano: raha nitodika tamin’i Jesoa foana ny masony, tsy nilentika izy. Vao mijery ny alon-drano sy ny tafiotra, tsy maintsy milentika. Toy izany koa isika: ny fitazonana ny fijery ao amin’i Kristy no mitazona ny hafaliana. Banjino foana Izy! Atambaro amin’ny fiainanao izany, fa ho sambatra sy hiadana ary ho faly ianao! Gen.1 ; Jao.4 ; Apo.21. Ny TENY no Mpahary hatramin’ny voalohany ka nanao fanovaana niteraka fiovaana. Tamin’ny voalohany Izy nahary ny Lanitra sy ny Tany ka nanao hoe misia ny mazava. Nisy izany; ary hita fa tsara ny mazava, dia ilay fiovaana! Jesoa niteny tamin’ilay vehivavy samaritana tao Sykara hoe : Raha fantatrao Izaho miteny aminao hoe: Omeo Aho hosotroiko, ianao no ho nangataka tamiko, ka nomeko rano velona mba tsy hangetaheta intsony. TENY Fanavaozana niteraka fihavaozana ho an’ilay vehivavy lasa nino izany, ka tsy nangetaheta ny zavatry ny nofo intsony, fa lasa mpitory ny Filazantsaran’ny Lanitra izy. Ary hoy Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra. Hisy Lanitra vaovao sy Tany vaovao, ary raha misy olona ao Aminy, ho olom-baovao izany. Fanatsaraana miteraka fihatsaraana ho an’ny mino rehetra izany. Teny nahariana izao tontolo izao, Teny mitondra fiovaana, Teny manavao izao tontolo izao sy izay rehetra ao aminy. Avia Maran ata! Amena! Ary hoy koa Izy: Soraty: fa mahatoky sy marina ireo teny ireo. Ary hoy koa Izy tamiko: Tanteraka ireo. Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana. Izaho hanome maimaimpoana amin’ny loharanon'ny ranon'aina ho an'izay mangetaheta. Izay maharesy no handova izany zavatra izany; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako. Ho aminareo anie ny fiadanan’ny Tompo!
Ho aminao anie ny fiadanan'ny Tompo! Amena!Ny Mpitandrina RAKOTOSON Philippe
Fanavaozana ialohavan’ny Fitsarana no ataon’ny Zanahary. Koa aza mitsara mba tsy ho tsaraina, aza mitsara fa mbola hotsaraina. Izay mitsara namana no maka ny toeran’i Kristy Mpitsara. Te-hanaisotra ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny namany nefa ny andry be eo amin’ny masony tsy vitany, tsy hainy ny manala azy. Ratsy koa ny manao vavolombelona mandainga hanameloka ny namana. Avela ny heloky ny fahavalo na diso aza izy. Tiavina ny fahavalo fa tsy ankahalaina. Izay no fandresena. Tsy mitsara mihitsy fa mitia ny tsy tokony ho tiavina, mamela heloka ny tsy tokony hamindrana fo. Miroso mankany amin’ny Fiharian-karena iombonana izany. Amin’ny fitiavanao ny Tompo sy ny namanao no itiavanao ny tenanao. Raha tsy mitovy hevitra: aoka samy mandeha amin’ny lalany, fa tsy mifampitsara. Zanahary ihany no tsara ka afaka mitsara sy mahay manova ho tsara. Izy no afaka mitsara sy manatsara fa tsy isika. Aza mitsara fa mbola ho tsaraina! Fiteny mifono hevi-dalina lehibe sy fahaiza-mandinika izany. Koa tsy tokony hitsara olona isika satria samy manana ny fahalemeny sy ny fahadisoany ny tsirairay. Raha sendra manaratsy sy mitsara ny hafa isika, toa miverina amintsika izany amin'ny farany. Zon-Janahary irery ihany no hitsara, fa tsy isika. Vao mainka tsy mety ny mitsara olona amin’ny endriny ivelany, na amin’ny hadisoana nataony taloha, satria samy mety eo am-piovana sy eo am-pivoarana isika tsirairay. Tokony hiezaka isika hanana faharetana sy fandeferana, fa tsy faly manome tsiny haingana. Aza manasazy olona amin'ny hadisoany, satria ianao koa mety ho diso toy iny amin'ny fotoana hafa. “Aza mitsara fa mbola ho tsaraina”. Ara-tantara, mifanaraka amin’ny fomba fiteny, fomba fihevitra, soatoavina malagasy toy ny fihavanana, ny fandeferana, ny fanajàna ny hafa izany. Ara-pinoana kristiana no miharihary fa tsy anjaran’olona mpanota amin’ny maha-samy diso azy ny mitsara, an’ny Zanahary irery izany. Raha mitsara isika no manaporofo fa manadino ny famindram-po nomena antsika. Romana 2:1: “Koa…fa amin’izay itsaranao ny hafa no itsaranao ny tenanao koa...” Jakoba 4:12: “Iray ihany no Mpanao lalàna sy Mpitsara, dia Ilay mahavonjy sy mahavery. Fa ianao, iza moa no mitsara ny namanao?” Ara-piainana andavanandro, izay maika hitsara no manadino ny antony lalina amin’ny fihetsiky ny olona hafa. Mety manana tantara hafa na olana tsy fantantsika ny olona tsaraintsika matetika. Noho izany tena miteraka fankahalana, fanilikilihana ka manimba ny fihavanana izany, indrindra raha mahantra ilay olona. Raha misy olona miova fo ka lasana mino, na miala amin'ny fahotany taloha, tsy tokony ho tsaraina amin'ny lasany izy fa amin’ny fiovana izay ataony. Rehefa mieritreritra hitsara ny hafa isika, sao tsara kokoa ho antsika ny misaotra ny Tompo fa tsy eo amin’io toerana io isika, ary mivavaka ho an’ilay olona diso ka manohana azy na manampy azy mba hiala amin’izany, raha azo atao. Mitaona antsika mba hanana fo madio sy saina malemy fanahy sy mazava io. Mampahatsiahy fa ny tsaraina anio mety ho mpitsara rahampitso, ary isika tsirairay no mendrika ho tsaraina amin’ny fiainantsika avy. Isika tsy manan-jo hamoaka fitsarana, na fanamelohana ny hafa, satria samy diso; manana anjara sy antony lehibe hotsaraina eo amin’ny fiainana isika tsirairay avy. Misy Ohabolana Malagasy:-“Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina.” Midika fa ny zavatra ratsy ataonao amin’ny hafa no mety hiverina aminao. Raha mitsara ianao, mety hotsaraina amin’ny fotoana tsy ampoizinao. “Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana.” Mitandrema fa tsara kokoa very vola toy izay very havana. “Ny hazo nojerena tsy nisy ravina, nony nisy raviny, indro nandrafitra trano.” Azo ampitahaina amin’ny olona tsaraina hoe tsy misy ilàna azy, nefa nony avy eo nivoatra ka lasa tena manan-danja. “Ny anio tsy fantatra, ny ampitso ankamantatra.” Ny fiainana miovaova, ka tsy tokony hitsara olona isika satria tsy mahalala izay hiseho rahampitso. “Ny tsy mahay mihaino no diso fandray.” Mampitandrina anatra fa tokony hihaino sy hahatakatra aloha isika alohan'ny hitsarana. Fianarana: Tsy tokony mitsara olona amin’ny endriny ivelany na amin’ny fomba fiainany isika, fa miandry sy mihaino aloha, satria hiseho ho azy ny marina rehefa tonga ny fotoanany. Ilay Vehivavy Voampanga ho Nanao Fahotana (Jaona 8:1–11) navelan’ny Tompo. Tsy isika no mpitsara, fa samy diso daholo isika. Ny famindram-po sy fahafahana manova fiainana no manan-danja. Tsy ilaina ny manilika fa mila manampy sy mampahery ny mpiara-belona isika. Zanahary no mamonjy sy mitahy ary koa mitsara. Avy eo Izy hanavao ny zavatra rehetra. Mila manatona Azy, mibebaka sy miova ho tsara sy mazava isika. Izay mandray Azy omeny hery ho tonga zanany mahay mifankatia. Sambatra ny madio am-po fa izy no hahita ny Tompo. Sambatra ny mpampihavana f’izy no atao hoe zanaky ny Zanahary. Fiadanan’ny Tompo!
Ho aminao anie ny fiadanan'ny Tompo! Amena!Ny Mpitandrina RAKOTOSON Philippe
Ny Fanahy Masina no mampiorina ny Fiangonana Kristiana. Voaantso ka mino sy mibebaka ny olona mpikambana ao. Lasana olona vaovao ao amin’i Kristy. Tsy lovaana ny maha-fiangonana fa antso ho an’ny tsirairay, nefa ny zanaky ny mpino kristiana no matetika lasana mino koa ka mibebaka manatona ny Tompo rehefa mandre ny antso, ka zary miditra ho an’isan’ny Fiangonana.Tokana ny Fiangonana ka iray ihany ny mpino rehetra ao amin’i Kristy izay foto-boaloboka iombonana: fa sampany isika. Kristy no Loha ary isika no vantany, samy manana ny anjara asany avokoa araka ny talenta voatolotra atao hoe fanomezam-pahasoavana. Tena fahotana mahafaty ny fisaraham-piangonana, ka tokony samy hifona ny kristiana mizarazara ankotrio. Miorina amin’ ireo fanambarana nataon’ireo apostoly ny Fiangonana kristiana ka tsy maintsy ahitsin’ny Soratra Masina hatrany izy. Voatokana, masina ny Fiangonana satria entin’ny Fanahy Masina amin’ny laalana miakatra atao FINOANA izy, ka amasinina amin’ny Tenin-Janahary sy Vavaka ary ny Sakramentan’ny Batisa sy ny Fanasan’ny Tompo (famantarana hita maso amin’ny fahasoavan’Andriamanitra tsy hita maso ao amin’i Kristy). Manerana izao tontolo izao ny Fiangonana satria entin’ny Fanahy Masina midina amin’ny laalan’ny FITIAVANA mba hanova izao tontolo izao ratsy ho tsara. Rain’ny mino rehetra ny Zanahary koa tokony hanaja sy hatohatra azy ny olona rehetra, indrindra fa isika zanany. Izay mandray an’i Kristy no omen-Janahary hery ho tonga zanany. Ry Fiangonana ô, ry mpianakavin’ny finoana, mifalia ho an’ny Zanahary Raintsika ka manaova feo fifaliana ho Azy. Matahora Azy fa Tompo Izy ka mendrika ny ho hajaina. Araho ny Tenin’i Kristy fa fiainana izany, iveloman’ny Fiangonany. Mitondrà tena mifanaraka amin’ny Filazantsara. Matahora ny Tompo. Tiavo Izy. Vakio ny Teny Ohabolana 20 : 1-30. Koa fikambanan’ny olona izay mino an’i Kristy ny Fiangonana ka mifanaiky hiara-mivavaka sy hiara-manompo Azy amin’ny fitiavana sy fifaliana ho voninahitry ny Anarany. Lazaina hoe malalan-Janahary izy sady voaantso no masina.
Ho aminao anie ny fiadanan'ny Tompo! Amena!Ny Mpitandrina RAKOTOSON Philippe
Tahotra masina sy Fanajana ny Tompo no miteraka fibebahana marina «metanoia». Fanovàna tanteraka ny fiainana ho ao Aminy izany, ka ny finoana velona no miteraka fihavaozana ao anaty: fiovaana lalina ao an-tsaina sy hatrao anaty fo. Miala avy amin’ny haizina ho ao amin’ny mazava, avy amin’ny ratsy ho amin’ny tsara. Haja sy Tahotra Azy no tsy mampahory fa feno fiderana, fanajàna lalina, fitiavana Azy Tompo Masina, Mpitsara, Mpanjaka. Fiandohan’ny fahendrena izany no sady mitarika amin’ny fahadiovana sy fandraisana fanapahan-kevitra hanao ny tsara (Filipiana 2:12). Endrika isehoan’ny fibebahana ny hakiviana mafy noho ny hadisoana, nenina, fahatsapana ny tsy rariny sy ny asa natao tsy nety ary ny fitondrantena ratsy vita. Tapa-kevitra hialaana ny ratsy, ny diso, ny loto, ka ho tia ny tsara, ny marina, ny madio. Mino ny famelan-keloka atolotry ny Zanahary. Manonitra izay azo onerana. Hoy Isaia hoe: Indrisy olo-mahantra aho! Mihorohoro fa ratsy sy tsy mendrika eo imason’ny Tompo ka mila mibebaka lalina. Saingy tsy manana lanja ny tahotra raha tsy miaraka amin’ny Fitiavan-Janahary. Io no ilay fahasoavan’ny Tompo mitsena sahady. Misintona antsika hanatona Azy ny famindra-pony ka mitaona antsika hibebaka. Raha misy olona ao Aminy: olom-baovao, nateraka indray, ka handova ny Fanjakany. Mitondra fanantenana vaovao hanova fiainana izany! Sady hetsika ara-tsaina no mitaky fiovaana eo amin’ny fiainana isan’andro koa ny mifona: miala amin’ny ota ratsy rehetra, manompo Azy amin'ny fifaliana sy fitiavana ho voninahiny. Tahotra masina sy fanajana ny Tompo no fototry ny fibebahana marina sy maharitra. Manova tanteraka ny fo sy saina izany fa mampiseho fiainam-baovao araka ny finoana. Tsy avy hiantso ny marina Izy fa ny mpanota mba hibebaka. Ataovy ity vavaka ity, raha sitrakao:- Tompo Masina ô, matahotra Anao aho noho ny fahamasinanao! Mibebaka aho, araka ny hafatrao, satria fantatro fa akaiky ny Fanjakanao. Tompo ô, tonga aho hanolotra ny tenako ho entin’ny Fanahinao, hiala amin’ny asan’ny nofo ary hivelona ao amin’ny vokatry ny Fanahy Masina. Avelao ny hadisoako, ary velomy indray ny asanao ato anatiko. Amin’ny anaran’i Kristy. Amena!
Ho aminao anie ny fiadanan'ny Tompo! Amena!Ny Mpitandrina RAKOTOSON Philippe
Fahatokiana tanteraka amin’ny zavatra iray mbola tsy tanteraka nefa antenaina, ary porofon’ny fahatokisana ny zavatra tsy hita maso saingy inoana fa misy na hitranga. Io no famaritana fototra momba ny finoana. Tsy mitaky porofo hita maso, fa fiankinana sy fitokisana amin-Janahary sy ny Teniny. Amin'ny fomba ara-pivavahana. Mino fa ny Zanahary no mahavita manatanteraka ny zavatra rehetra nolazainy, na tsy mbola hita maso aza. I Abrahama nino ka hahazo zanaka na efa antitra aza. (Hebreo 11:11-12) I Noa nanao sambofiara, na tsy mbola nisy orana aza (Hebreo 11:7). Ny finoana no fiainana miaraka amin-Janahary, matoky tanteraka ny fikasany sy ny fitiavany, na tsy mbola hita maso aza izany. Amin’ny fomba famakafakana ara-pinoana (teolojika). Iray amin’ny fahasoavana telo: Finoana, Fanantenana, Fitiavana (1 Korintiana 13:13), ny Finoana. Tsy hoe fotsiny manaiky fa misy Zanahary, fa miantehitra sy miankina Aminy tanteraka. Tsy mitaky porofo hita maso, fa mandray ny Teniny ho marina na tsy takatry ny saina aza izany. Tsy fahalalana fotsiny, fa fifandraisana velona sy matotra Aminy. Ny finoana no fandraisana Azy amin’ny Teniny sy ny Asany ho Tompo Mpamonjy, k’anokafana ny varavaran’ny famonjena (Efesiana 2:8-9). Ohatra : Zaza miandry ny ray aman-dreniny hiverina. Alaivo sary an-tsaina fa milaza amin’ny zanany ny ray aman-dreny hoe: “Aleo eto an-trano ianao, fa hiverina ato amin’ny 5 hariva izahay mitondra fanomezana.” Ny zaza tsy nahita ny ray aman-dreny nandritra ny andro, sady tsy fantany ny karazana fanomezana ho tonga. Fa matoky izy, ka miandry tony, manadio trano, ary mifaly. Io no finoana: fitokiana amin’ny zavatra mbola ho avy, satria mahatoky ilay nampanantena. Tantsambo mandeha amin’ny alina. Ny mpanamory tsy mahita ny seranana, fa manaraka tendrom-pahazavana (fanilo), satria matoky fa any ny làlana. Io no mitovy amin’ny finoana: tsy mahita, fa matoky ny tari-dalan-Janahary. Ny finoana no maso ara-panahy mahita an’izay tsy hitan’ny mason’olombelona. Fahatokisana tanteraka amin-Janahary amin-java-tsarotra. Amafiso ny finoana ka iaino fa tsy "inoana ao an-tsaina" fotsiny. Mifandraisa amin-Janahary isan’andro amin’ny vavaka sy famakiana Baiboly. “Ampio aho Tompo hino sy hatoky Anao anio.”Fa ny Teninao no sakafo ho an’ny fanahiko (Matio 4:4). Mampihatra izay inoana – Asa sy fitondrantena fa maty ny finoana tsy misy asa (Jakoba 2:17). Miaina ny fahamarinana, ny fitiavana, ny fandeferana, ny famelana. Miezaka manao soa na kely aza isan’andro: manampy, mitsiky, mandre fitarainana... Tsy mitoloko fa manapa-kevitra hino sy hifidy ny tsara. Zanahary no miaro ahy raha misy manaratsy. Zanahary tsy mahafoy ahy raha ao anaty olana. Matoky aho fa tsy mimalo. Miray amin’ny hafa aho fa tsy mitombo amin’ny fahatokisana irery foana ny finoana, fa amin’ny fiaraha-mivavaka sy fifampaherezana. Ny olona "manana finoana matotra" no miara-mivavaka, matoky sy mitoky amin-Janahary amin’ny zava-drehetra, na misy fotoana sarotra aza, marary, very asa, sns…, fa ireny olana ireny no itomboan’ny tena finoana. "Tompo ô, tsy hitako izao ny fikasanao, fa inoako fa tsy manary ahy Ianao." Ampiofana ho an’ny fanahy izany, toy ny manazatra tena. Ny olana tsy manimba finoana, fa mampitombo azy raha tazonina miaraka amin-Janahary. Raha te-hanamafy finoana ianao, jereo indray mandeha ny fandehanan’ny fiainanao: Inona avy no efa vitan-Janahary? Ahoana no nanaovany fanafahana ho ahy? Inona no valim-bavaka efa azoko? Atao tsiahy fohy, tsotra, avokoa: “tamin’ny andro ... nisy olana aho, nefa nitondra fiadanana tamiko Izy.” Io dia porofon’ny fitokiana hatramin’izay, ary hanamafy finoana amin’ny ho avy. Famaranana: Ny finoana Tsy hoe mahafantatra fotsiny, fa manana fifandraisana ; Tsy hoe mandre fotsiny, fa miaina izany isan’andro ; Tsy hoe azo indray mandeha, fa tazomina sy amboarina mandrakariva. “Mijoroa amin’ny finoana, mahereza, aoka ho lavorary ny zava-drehetra ataonareo amin’ny fitiavana.” (1 Korintiana 16:13-14). Amena
Ho aminao anie ny fiadanan'ny Tompo! Amena!Ny Mpitandrina RAKOTOSON Philippe
Haja sy Tahotra ny Zanahary no ahalalaana fa ambony indrindra Izy ka omem-boninahitra. Tahotra tsy mampihorohoro na mahakanosa na mampimalo, fa amin’ny heviny tsara ho fanajana feno Azy ka tsy sahy manota intsony satria fantatra fa mahery sy masina Izy. Antenaina Izy noho izany ka aleo mitandrina ny fiainana, mitady ny tsara, mankatò Azy. Miaro sy mitahy eto an-tany Izy, sady antenaina koa amin’ny famelan-keloka, famonjena, fiainana mandrakizay. Tena finoana sy fitokisana ny herin-Janahary no fototry ny fanantenana marina. Ny lalan-Janahary no loharanon-kery, ny Teniny no jiro manazava; ary ao anaty tahotra Azy no misy fiadanana, ao amin’ny fanajana Azy no misy fiarovana. Na mandalo haizina aza ny fiainana, mibaliaka ihany ny masoandro ao am-po, satria Izy no Ray Fanantenana ka tsy manadino antsika zanany. Ny toky masina no misy fitahiana tsy hay refesina, ka ny olo-mankatò no mionona sy manantena fa voaaro amin-dratsy mikendry ny handavo azy. Mandresy fahakiviana ny fanantenana miorina amin-Janahary, ka hisy tsiky vaovao omen’ny Tompo, derao sahady Izy. "Fanantenana" no teny malagasy midika hoe finoana na fiandrasana zavatra tsara hitranga amin’ny ho avy. Io no manome hery sy tanjaka rehefa miatrika fahasahiranana. Io no toe-tsaina sy hery manentana ny olona hiroso amin-java-tsara kokoa. Tsy nofy fotsiny izany, fa finoana mafy ny hevitry ny fiainana. Io no toy ny “fanafody” mampahery ny olona ao anatin’ny fijaliany. Io no hery mampandray andraikitra ho amim-piainana tsara kokoa. Io no toko iray amin’ny telo mahamasa-nahandro miaraka amin’ny finoana sy fitiavana. Mino ny famonjena, manantena ny fiainana mandrakizay, tia ny Tompo sy ny namana. Io no miandry zava-tsara, miorina amin’ny finoana ny herin-Janahary ambony. Mitondra fifaliana izany ka mampiala ny hakiviana. Hery ara-tsaina antony maha-olona, miorina amin’ny finoana ny hery ambony, ka mampiova ho tsara sy mahafaly ny fiainana isan’andro. Io no matoky, afa-mifaly, manan-kerim-po, ka manome zoto hanohy ny fiainana sy hiezaka hatrany, na sarotra aza ny atao. Tarafin’ny finoany sy ny fitiavana izy ka manana fijery mamirapiratra amin’ny ho avy. Io no jiro eo anoloana, ka manazava sy mampahery ary mampahita vaha-olana ho amin’ny soa izay mbola andrasana. Ny Fanantenana no loharanon-kery mitondra hiatrika ny ho avy, fa ny fahakiviana kosa no fefy manakana tsy hahita làlana. Antenao ny Tompo, itokio sy andraso am-pinoana ny fikasany sy ny heriny, ao anaty fitsapaana. Mifalia !
Ho aminao anie ny fiadanan'ny Tompo! Amena!Ny Mpitandrina RAKOTOSON Philippe
1 Kor. 13 : 1 «Na dia miteny amin’ny fitenin’ny olona sy ny anjely aza aho, kanefa tsy manana fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana aho.» Voalohany, ny fiteny tsara lahatra misy fahefana, Faharoa, ny « fiteny hafa » ara-panahy, (1 Kor. 12 : 10 ; 14 : 18), Samy zava-poana ireo raha tsy misy Fitiavana.
1 Kor. 13 : 2 «Ary na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana, dia tsinontsinona aho. » Na manana ny faminaniana sy finoana feno (1 Kor.12:8-10) ka mahalala zava-miafina sy mahavita fahagagana (Mar.11:22-23), nefa tsy manam-pitiavana, ho tsinontsinona aho.
1 Kor. 13 : 3 « Ary na dia omeko hohanin’ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany. » Ireo maty nodorana noho ny Filazantsara tsy handray valisoa raha tsy manam-pitiavana. Ny fitiavana no mampisy vidiny ny asa fanompoana rehetra.
1 Kor. 13 : 4 « Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy ; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, » Ny «olona feno fitiavana» no mahari-po, malemy fanahy (Gal. 5 :22-23), ka faly izy sady mahay mivazina sy manetry tena. (Lio. 15 : 25-32).
1 Kor. 13 : 5 « tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otri-po, » Izay feno fitiavana, manaja ny hafa, mandefitra, mitady soa ho an’ny hafa (1 Kor.10 : 24,33 ; Gal.5 : 22), no madio am-po ka mamela heloka .
1 Kor. 13 : 6 «tsy mifaly @ tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly @ fahamarinana kosa»
Izay feno fitiavana tsy ta-handre ny laza ratsin’ny hafa, satria ny fanambaniana ny hafa tsy mampisandratra azy. Miaraka hatrany ny fitiavana sy ny fahamarinana (Efe. 4:15).
1 Kor. 13 : 7 «mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra.» Izay feno fitiavana, miaritra sy mandefitra ny hadisoan’ny hafa ka tsy mikizaka, (1 Pet. 4:8), no tsotra sy hendry ka mahay mamela, no mino maharitra ka mandresy (Rom.12 :21), satria hery goavana Zanahary FItiavana. (Rom. 8 :29 ; 1 Jao.4 :7 ; Rom.5:5 ; Efe. 5 :28-29 ; Rom. 5 :7-8 ; Matio 5 :44).
1 Kor. 13 : 8 « Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay ; fa raha ny faminaniana, dia ho levona ; na ny fiteny tsy fantatra, dia hitsahatra ; na ny fahalalana dia ho foana. »Ny fanomezam-pahasoavana: faminaniana, fiteny tsy fantatra, fahalalana, (1 Kor.12 :8-10) no tsy ilaina intsony any an-danitra, fa Zanahary no Fitiavana haharitra (1 Jao. 4 : 8, 16).
1 Kor. 13 : 9-10 « Fa sombintsombiny ny fahalalantsika, ary sombintsombiny ny faminaniantsika ; fa rehefa tonga ny tanteraka, dia tsy hisy sombintsombiny intsony. Tsy feno ny fanomezam-pahasoavana eto an-tany (fahalalana, faminaniana), fa any an-koatra, ho tanteraka ny fahaiza-manao satria hitovy amin’i Kristy (1Jao. 3 :2).
1 Kor. 13 : 11 « Fony mbola zaza aho, dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza ; fa nony efa lehibe aho, dia nariako ny fahazazana. » Fahazazan’ny mpino ny fiainana an-tany (1 Kor.3 :1-3 ; 11 :20-21, 14 :20). Ny vokatry ny Fanahy (Gal. 5 :22-23) omena amin’ny fatra mitovy no mahamatotra fa tsy ny Fanomezam-pahasoavana.
1 Kor. 13 : 12 « Fa ankehitriny isika mizaha ao amin’ny fitaratra ka tsy mahita marina ; fa rahatrizay dia mifanatrika ; ankehitriny sombintsombiny no fantatro ; fa rahatrizay dia ho fantatro tsara toy izay nahafantarana ahy » Fitaratra ihany no ijerena, sombiny ihany ny fahalalana sy ny fahendrena ka tsy mazava ny fahitana. Finoana izao no andehanana (2 Kor. 5 :7). Hifanatrika Aminy isika ka (1Jao.3:2) hahalala Azy feno.
1 Kor. 13 : 13 « Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra : ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana ; fa ny fitiavana no lehibe amin’ireo » Ho foana ny finoana, ny fanantenana, (1 Tes.1:3), fa Fitiavana Zanahary (Jao. 3 :16 ; Rom.5 :8 ; 1 Jao. 4 :10,19 ; Rom. 5 :5), no sisa mampifankatia (1 Jao. 4 :7, 11 ; 1 Jao. 4 :16 ; 1 Jao. 4 :17), ka itoerana amim-pifaliana mandrakizay. Amena !
Ny Mpitandrina RAKOTOSON Philippe
Pentecôte souffle divin
Soli Deo Gloria
Joyeuses Pâques
Soli Deo Gloria
1 Korintiana 5:8 ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin’ny masirasira ela, na amin’ny masirasira lolompo sy faharatsiana, fa amin’ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana.
Kristy no fiadanantsika
Jaona 16:33 Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Atỳ amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.
Grandeur de celui qui pardonne
Œil pour œil, dent pour dent, c’est la loi pour beaucoup, Si on fait exception, on risque de passer pour fou. Lucides, faisons le fou : quittons l’instinct normal, Un réflexe spontané, rendre le mal pour le mal. Sortons de l’ordinaire, prenons de la distance, Décidés pour toujours de ne pas faire vengeance, Convaincus de sa faute, nous allons l’étonner, Car au lieu de frapper, préférons pardonner. La vengeance enterrée, on gagne une paix solide. Le cercle vicieux brisé : c’est l’œuvre des fous lucides. Si génie et folie sont frère et sœur banals, Savoir bien pardonner est une folie géniale. Mais qui sait pardonner, si ce n’est le plus grand ? Le plus juste, le plus fort : il est sûr de son rang. Le grand reste toujours grand, quand il donne, quand il pardonne, Approuvé, respecté, qu’il chante ou qu’il fredonne. Le faible parfois pardonne, serait-ce par obligation ? Mais le grand qui pardonne est libre de ses actions. La magnanimité, le privilège des seuls grands, Est leur intime valeur, qu’ils soient pieds nus, sans gants. A l’intérieur d’un peuple, toujours des différences, Erreurs du Créateur, faites par inadvertance ? Ou différences voulues, dont il faut se réjouir ? Son prochain accepté, tout le monde va s’épanouir. Comme tu ne meurs qu’une fois, tous tes méfaits passés Seront mis sur ton compte…à moins d’être pardonnés. Le jour du grand départ, hagard, le teint livide, Tu n’emporteras rien, pas un sou, les mains vides ! A quoi te serviront tous ces biens amassés ? Faudrait-il pas lorgner côté Éternité ? Au Ciel ou en enfer : cela dépend de toi, Les anges ou la vermine ? Compagnons de ton choix ! Rendre le bien pour le mal : c’est cela le pardon. Quelqu’un d’Exceptionnel, de sa vie a fait don. Le Champion du pardon, il a versé son sang, Pour ta paix éternelle, c’est JÉSUS le plus GRAND !
Professeur RABARIOELINA Lala
08 Mars 2002
Et 12 Janvier 2017









